dim.

26

sept.

2010

Fahafam-baraka rey izao…

Nony injay nomena voninahitra, natao am-patram-bary indray! Fa inona marina no tadiavin’ny fitondrana amin’izao fotoana e? Nahazo fanasana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, hono, ny Fat, ary dia ny lehiben’ny diplaomasia, ny jeneraly Ramaroson Hypollite, no nisolo tena an’I Andry Rajoelina. Nahazo fotoana ahafahany miteny ny delegasiona malagasy. Kinanjo… naleony tsy nandray fitenenana. Fa dia nahoana loatra re e ? F’angaha moa tsy ny hanao pi-maso ireto fianakaviambe iraisam-pirenena ireto akory no tanjona, na dia tsy dia tena hanao izany aza no nolazaina fa anton-dia ? Nanambara mihitsy ny filoha mpitarika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, SEM Joseph Deiss, fa ny Malagasy no nangataka ny tsy handray fitenenana. Tapitra teo ny fitodihana taty amin’ity nosy mamintsika. Mahagaga ! Sa… satria tsy dia manan-kambara ny Fat raha ny momba an’i Madagasikara mikasika ny Tanjon’ny Taonarivo Fahatelo momba ny Fampandrosoana ? Tsy midika fandrosoana velively mantsy ny fanorenana hopitaly, ny fanorenana ao Antsonjombe, ny fananganana Akademia ara-panatanjahantena, ny fanavaozana ny Hotel de Ville, ary, atsy ho atsy, hono, ny fisokafan’ny tsenan’Anjomà ; manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka manontolo sy ny madinika tsy afa-mampiditra mpianatra, tsy afa-mamelona ny fianakaviany, tsy afa-mitsabo tena noho ny tsy fisian’ny fanampiana intsony...

Tsy niteny tsy nivolana ny Malagasy. Ny tena loza ary, nivoaka ny efitrano lehibe izy ireo. Nivoaka, tsy nanome voninahitra ny delegasiona avy amin’ny Sadc, raha anjaran’izy ireo ny nanolotra ny valin’ireo Tanjona valo lehibe ao anatin’ny fari-piadidiany. Mazava ny amin’io. Dia inona ary moa no holazaina mikasika ny fitondrantenan’ny Malagasy. Mahery an-toerana, fa mangozohozo rehefa tonga any amin’ny toerana tokony hireharehana ? Sa ny Malagasy, toy ny tena, azo ampitahorina amin’ny basy sy grenady fa ny hafa manana ny heriny sy ny tanjany ka ny fandosirana sy fivoahana tsy mijanona ny efitrano no hany fampisehoana ny tsy fananana tanjaka. Izany fihetsika izany koa ve moa hampaninona ny fivoriana ifantohan’ny rehetra, manoloana an’ity Madagasikara, nosy kely iray any amin’ny Oseana Indana (!). Ambonin’izay, firenena mikorontana ka tsy dia misy antenaina loatra aloha ny aminy, hatramin’izao. Mampalahelo! Ieee, tena mampalahelo, satria ny fanaovana jery todika ny zava-bita sy ny fanolorana eo anatrehan’ireto firenena manerana izao tontolo izao ity no fomba iray goavana mihitsy nahafahana nametraka ihany koa ny antony hangatahana fanampiana sy tosika avy any amin’ny hafa. Jereo anie ny Tanjona fahavalo e ! Eisy e

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra