sam.

25

sept.

2010

Tanànan’ny « mandeha ho azy »

« Ao ny mivôvô, misy ny misarin-kisoa, irý ‘zao hiteny sinoa, tanànan’ny tsy fantatra hoe: ahoana?, ao no manaonao foana ». Dia tonga soa amantsara eto Ambohimahadizina ara-bakin-teny isika mianakavy. Nisintaka ny polisy fa tsy te-hidiran’andro amin’ny tsy antony. Ankehitriny vao tsapany fa hay ireto mpandamina ny fifamoivoizana ireto dia nanao ny “tsy asany “akory hatramin’izay taona maro nifandimby izay? Fa amin’izao fitondran’ny fahefana avo izao vao nirotsahan’ny fanahy masina izy ireo ka nahalala ny lalana mahitsy tokony nizorany. Dia navelan’ny CUA ho eo ampelatanan’ny mpandraharaha amin’izay ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra. Dia iza koa no hisintaka sy hiala amin’ny fiketrehana ny hahatsara ity tanàna ity?.......

Miala tsiny fa resahana ankehitriny ny tanànan’Antananarivo satria RENIVOHITR’i Madagasikara izy ity. Tsy voatery ho maodelin’ny fandrosoana akory ny eto, tsy eto akory no filamatra, tsy eto no tompon’ny familiana ny ho avintsika, ary indrindra indrindra dia tsy izay tiantsika hatao akory no marina sy ho filamatra. Sanatria ho lasa fary izy ity, ka ny nantenaina ho lohany indray no matsatso? Moa tsy Antananarivo ve no nipoiran’ity hevitra misaritaka ankehitriny ity? Ny hoe: “Antananarivo” resahana eto dia ilay tanàna sy ny mponina ao aminy. Eto, hono, no sangan’i Madagasikara. Ary tsy misy hiady sy hibodo ho azy irery ity tanàna ity tsy akory. Eto isika mianakavy, ary iza moa ny rahalahy sy anabavy any amin’ny faritra hafa any no tsy haniry hipetraka eto? Tsy afabela amin’ny saritaka politika ny tanàna. Teto no nitranga ny doro trano nahalasa lavenona izay mba kely nananana (lapan’ny tanàna, Andafiavaratra, Rova, TVM sy Rnm). Antananarivo no mpandoro ireny e! Rehefa mihetsika ara-politika izy dia ireny no zava-bitany. Zava-bitan’ny “tsy tonga saina”. Tsy izay ve ilay manaotao foana? Ohatra vao haingana no hampatsiahivina: Nodorana ny zava-panjakana teo Anosy teo satria milaza vaovao tsy marina sy mitanisa vaovao mitanila. Ka efa levon’ny afo ve izany toetra ratsin’ny RNM sy TVM izany? Anjaranao no mandinika. Hataontsika inona eto Antananarivo eto moa Be-n’ny tanàna voafidy? An-kavitsiana ny olom-boafidy teto mba nahavita ny” mandat”-ny. Tsy efa ela no nampanantenaina izany Grand-Tanà izany? Izany “Arabe ho an’ny fiara, tsena ho an’ny mpivarotra, ny trottoir ho an’ny mpandeha an-tongotra”, ny “Antananarivo madio”, ny “Antananarivo maha-te-honina”, ny “ Antananarivo mamirapiratra”. Aiza daholo izany ‘rey olona? Antananarivo haverina hiaina any amin’ny taona valopolo no hampanantenaina ankehitriny. Manambitamby, manao izay hisian’ny gaboraraka sy ny mandeha ho azy. Fahefana manao ahoana no hananan’ny fikambanan’ny mpivarotra handamina ny tsena? Kanefa ny Kaominina sy ny polisiny aza nanana hery namoretana toa hisintaka sy hiala maina? Amin’ny fomba ahoana no handaminana ny fitaterana eto kanefa ny Polisim-pirenena hiraviravy tanana sy hitazana izay fandikana lalàna manoloana azy, sanatria…sanatria? Tsy misy ilàna Be-n’ny tanàna eto e! Aleo ho “tanànan’ny mankany mankany”. Tsy misy ilàna fifampifehezana sy teny ieràna, tsy misy ilàna fandriampahalemana… Mazava ny antony hitenenana ireo: Raha misy olona voafidim-bahoaka eto afaka volana vitsivitsy, dia amin’ny fomba ahoana indray ny handaminana ny fahefana efa lasan’ny fikambanan’ny mpivarotra? Ataon Ingahy Méra inona intsony ny polisy? Moa hanana tetik’asa mety hahombiazany izy amin’izany. Tena haniry tokoa ny volon’i Dadabe taloha iny. Angano fitantara isan-kariva sisa izany Antananarivo izany? Rediredy ny ahy fa azafady! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra