sam.

25

sept.

2010

Filan-kevitry ny Minisitra: Miainga ao ny tsy fanarahan-dalàna

Mifangaro sy miha-manjavona ny fanarahan-dalàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy misy “ lasitra ” tena arahina mazava fa antematemaka no betsaka. Tsy hita fototra ny didy aman-dalàna tiana hampiharina fa ampifanarahana fotsiny eo ampivorivoriana ny eritreritra savoan-danitra.Tsy mety ho tafaverina amin’ilay lasitry ny lalàmpanorenana mihitsy. Sady tsy tetezamita no tsy Repoblika fahatelo, ary tsy Repoblika vaovao Mampanontany tena ny fisehoan-javatra ary mandiso ny ady hevitra mihitsy ny fomba fitantanana ny raharaham- pirenena. Ilay didy hitsivolana 2009/012 tamin’ny 18 desambra 2009 marina ve no mitondra ny fahefana avo ankehitriny ? Aiza ao no manambara ny fisian’ny fanantanterahana fifidianana mialoha ny fotoana mahakasika ny ben’ny tanàna? Dia lalàmpanorenana inona no ifotoran’io fifidianana io? Izay vao ho laniana amin’ny 17 novambra 2010 izao?.........

Ka raha lalàmpanorenana mbola tsy hita mazava ve ny vokany dia azo hanaingana ny mpifidy fa tsy maintsy ho tanterahiny? Ary raha lany soa aman-tsara anie izany ny lalàmpanorenana hitsapana ny hevi-bahoaka eo (izay tsy fantatra na roa na iray, araka ny filazan’ilay komity fakankevitra eny Tsimbazaza), dia efa midika izany fa efa tafatsambikina any amin’ny Repoblika vaovao isika e! Noho izany, dia foana ho azy ilay didy hitsivolana milaza ny fitantanana ny fahefana avo ankehitriny (?) Ankoatra izany dia tsy mitombina, araka ny andininy faha-36 (izay inian’ny CENI nambara avy hatrany fa tsy hampiharina), ao amin’ny lalàmpifidianana ny fipetraky ny datin’ny 20 desambra 2010. Tsy fantatra mazava intsony izany raha tena ao anatin’ny “ fotoana hafa ” mihitsy ny firenena malagasy ankehitriny ka tsy misy fototra tena mazava hijoroana sy tena hitampikirana. Tsy maintsy tanterahina izay vita sy tapaka teny amin’ny fivorian’Ivato kanefa lalàna toy inona no hampanan-kery azy iny? Avy aiza ny fotodalàna mahatonga ilay hoe: tsy maintsy mametra-pialana ny ben’ny tanàna mbola hirotsaka roa volana mialoha ny fifidianana? Voasoratra aiza sy tamin’ny inona izany? Fa ny filan-kevitry ny minisitra teo ambany fitarihan’ny filohan’ny fahefana avo dia afaka mampiaina an’i Madagasikara ao anaty fanapahan-kevitra tsy mifototra amin’ny lalàna misy. Izay izy ireo ihany no nametraka sy namorona azy. Tokony ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny fahefana avo Ny firosoana amin’ny fitsapan- kevi-bahoaka ho amin’ny fandaniana ny lalàmpanorenana vaovao dia midika avy hatrany fa ho faranana izao fahefana mitondra izao. Raha havoaka hanankery (mbola tsy fantatra ny fahefana hanao izany: ny HCC sa ny CENI ?) ny lalàmpanorenana vaovao ao aorian’ny 17 Novambra 2010 dia hamono tena fanintelony indray ny FAT. Asa moa raha hazava sy ho fantatry ny besinimaro sy ny olom-pirenena daholo izay ho raiketin’ny lalàmpanorenana asaina hankatoaviny ho avy eto. Tsy fantatra koa ambon’ireo rehetra ireo raha firy isanjaton’ny mpifidy voasoratra marina no mankatoa izao “fitsapan-kevi-bahoaka” izao dia azo hampiharina izy ity. Hisy dikany ve ny tsy fandraisan’anjara sy ny vato maty miampy ny vato fotsy? Tsy mazava daholo izany, fa aleo handeha hahitàna ny biloka tokony hahitsy? Tsy kenda ve vao dony aho Ranaotra indray?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra