sam.

25

sept.

2010

Dinika hataon’ny CNOSC: Be mpaminany ao anaty tetezamita

Hampiteraka korontana eo amin’ny samy malagasy ny fanaovana dinika faharoa eto amintsika. Nanambara io ny filohan’ny FAT sy ny Pasitera Ramino Paul, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery teto an-toerana. Fisakanana avy hatrany ny CNOSC amin’ny fikasany hanao fihaonambem-pirenena eto no dikan’io. Dinika izay heverin’ity farany, fa hanasàna ny ankolafin’olona samihafa, ary ny mpamatsy vola ivelany no hiantoka ny fandaniana rehetra. Hampiray sy hamaha olana no tanjona amin’izany, fa tsy sanatria hanakorontana. Gaga anefa ny mpitazana, raha kilasiana fa hanakorontana sahady ireto sehatra tsy miankina ireto.......

Dia hoy ny hafa hoe tena misy mpaminany mihitsy ao anaty tetezamita ao, matoa tsinjony sahady fa hampisara-bazana ny fanaovana io dinika io an. Ny tsara ho fantatry ny rehetra anefa, dia zava-dehibe ny hisian’ny dinika samihafa toy izao. Azo hitarafana ny fisian’ny demokrasia ao anaty firenena izany. Eo ihany koa ny fahaiza-manao, na lafiny fandraisana olona io, na ihany koa ny hevitra mivoaka ao. Izany no antsoina hoe fifaninanana masina, ary ho hita eo izay tena mahay miasa na ny ray aman-dreny mijoro, na ihany koa ny CNOSC e. Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    anti-fozaorana (dimanche, 26 septembre 2010 17:08)

    Hita ange izao fa tsy hoe "neutre" araka ny ilazan'ny FAT azy akory ny "ray amandreny najoro" e. ny resolution teny @ conf nationale dia manome tombondahiny ho an'ny FAT.
    ny an'ing vice amiral kosa de tena tsy izy é, maninona raha izy no miala tsy ho MAE itsony fa tsy mada no hoesoriny @sadec? Rehefa tsy misy resultats hatr@zao ...ny fahendrena dia mametraka démission hotran'ny nataon'ny teo aloha e.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra