sam.
25
sept.
2010
Anisan’ny tarehimarika atahoran’ny besinimaro izany 666 izany. Misy ny milaza azy ho tarehimariky ny maizina. Tsy dia ilana fanazavana betsaka ny amin’izany. Mety ho afaka ny hanome ny hevitrao ihany ianao momba ireto fanamarihana manaraka ireto, izay mirakitra ny tsiambaratelon’ny 666. Nosoniavina ny 24 aogositra 1939 ny fifanarahana teo amin’ny firenena alemana sy ny firenena sovietika, nosoloin’ny filohany avy Hitler sy Staline, nampiharina ny 26- n’io volana io ihany ary nifarana ny 22 jona 1941. Mitovy amin’ny fifanarahana amin’ny satana hono izy io ary naharitra 666 andro.........
Ny hoe « bête » amin’ny teny grika dia azo ravaravana toy izao 1+300+300+5+10+50 izay manome 666. Biby anefa no heviny amin’ny teny malagasy. Ny anarana hoe Saddam sy Hussein ihany koa dia samy manome 666 rehefa ampifanampiana amin’ny fomba hebreo. Marobe ireo loza nahatsiravina nitondra tantara erantany. Ny « titanic » ohatra dia adika hoe « teitan » amin’ny teny grika. Rehefa atambatra indray izy io dia toy izao no azo t=300, e=5, i=10, t=300, a=1, n=50. 666 ihany ny valiny azo avy eo. Hevero ihany koa fa ny “teitan” dia misy ifandraisany amin’ny hoe “sheitan”, izay anarana niantsoana ny devoly tamin’ny andro fahiny. Maro karazana ireo tetikasa voatery najanona mahakasika io tarehimarika io. Anisan’ireny ohatra ny tany Grèce, tamin’ny taona 1980. Nisy ny fikasan’ny fitondrampanjakana tany an-toerana hametraka ny nomerao 666 ho fiandohan’ny laharan’ny kara-panondron’ny mponina. Niteraka korontana io tetikasa io, vokatry ny fandavan’ny mponina ho ampitoviana tantana amin’ny satana. Tany am-piandohana indray koa dia tokony hitentina 6,66 francs ny 1 euro. Tsy nanaiky izany ny mpandraharaha aratoe- karena sasany. Voatery nikatona ihany koa ny banky iray tao Paris, volana vitsy taty aorian’ny nisokafany. L. Rollin 666 no anaran’io banky io. Asa na fifanandrifian-javatra ireto na ahoana koa. Ny laharan-tariby maitso fiantso momba ny fampitam-baovaon’ny Sida dia 05 366636. Nandritra ny fikatsahana hamono ho faty ny Papa Joany Paoly II tamin’ny taona 1981 dia nahitana ny marika 666 ny fiara nitondra ity ray aman-dreny am-panahy ity. Ny amperora Hiro-Hito, nanjaka tany Japon no amperora faha-666 nitantana, izay mpiara-miasa akaiky amin’i Hitler. Nahita fangirifiriana ny fianakaviany. Nisy onjampeo iray tany Amerika tany, teo amin’ny 666Khz. Namoy ny ainy vokatry ny aretina tsy fantatra avokoa ireo mpiasa nanodina azy. Ny bokin’ny satana izay ianarana anatin’ny fikarohana karmelita dia ahitana pejy miisa 666. Mbola betsaka ny zavatra azo resahana mikasika ny tarehimarika 666, saingy resaka finoana ihany koa io. Tsy asiana resaka betsaka.