ven.

24

sept.

2010

Tovovavy manao « hotesse » Fampirantiana sa karama

Tsy mandeha ve ny tsena raha tsy misy tovovavy tsara tarehy ? Mila ho lasa kolontsain’ny malagasy mpikarakara lanonana ny fampirantiana ankizy vavy. Aleo atao hoe raviravizan’ny vola izy ireny. Matetika dia mbola ao anatin’ny fianarana izy ireny ka mila vola hanampiana izany. Raha amin’ny maso tsy miangatra dia tsy rariny, kanefa toa hita soritra tokoa fa tsy rendrarendra no ilan’ireo tovovavy vola, fa fanampiana eo amin’ny fiainana mihitsy. Misy kosa anefa, dia ny fampirantiana ny vatany amin’izato akanjo manifinify sy manarabatana, na dia somary fohy kely aza no tena ankafiziny. Tsy ny “hotesse” ihany fa eo koa ny “manequin”........

Dia manontany tena izay mahita: Hatraiza hatraiza no ahitana io fihetsika io, na any am-piangonana na eny an-kavoriana rehetra eny. Faran’izay mianjaika ireny tovovavy ireny, sanatria toa entam-barotra… Ny an’ny sasany kosa toa revy fotsiny. Zara aza misy fotoana hisehoana vahoaka. Ny vola azo, ny endrika amam-bika miranty, sns… Misy ny orinasa matihanina mpikarakara azy ireny, saingy tsy mandeha amin’izany ny ankamaroan’ny mpikarakara. Izay hifanarahana no karama, ka manodidina ny Ar 15000 isaky ny miasa no vola raisin’ny tovovavy iray, izany hoe tsy asa raikitra io fa antselika hatrany. Amin’ny ankapobeny dia kolontsaina vahiny io arahantsika io. Tsy misy maharatsy azy, saingy tokony hifanaraka hatrany amin’ny soatoavina malagasy ny fihetsika. Manana ny fitafiana mampiavaka azy, sady tsara ny malagasy, ary saika isam-paritra mihitsy, koa nahoana raha ireny no voizin’izay mila ireny tovovavy ireny? Ny amin’izao mantsy dia tsy afenina fa fitafiana mahamenatra no betsaka. Miseho daholo ny entana rehetra! Tsy ilaozan’ny lehilahy manky visy anie amin’ireny e! Ka toy ireny vehivavy amidy ireny kosa koh! Aiza moa ny lehilahy no tsy hijangajanga? Henoy ange ny hevitr’ireto olona ireto e! HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra