ven.
24
sept.
2010
“ Ny ankizy ,hono, tsy mahalala tsy misy, fa toy ny bilao teren’ny visy. Tsy misy mafy tsy ho laitry ny zoto, fa baikoin’ny kibo ka mitotototo. Rehefa tsy misy dia tena mangidy, satria ny eo an-tanana indray no amidy “. Samy manana ny olany sy ny antonantom-pitolomany andavanandro ny Malagasy tsirairay amin’izao fotoana izao; Samy voagejan’ny fahoriana eo am-baravarany. Any amin’ny rambony isika amin’ny filaharana ankapobeny mahakasika ny fahantrana. Fa ny Gasy tokoa ve no dondrona sy kamolahy tsy afaka mivoatra ara-pihariana e? Sa misy antony mangeja azy ao? Antony ara-kolontsaina? Antony ara-piaraha-monina? Antony ara-pinoana? Antony ara-politika? Angamba! Hatramin’izao dia ny mpanao politika no “Mpanjakan’i Madagasikara”, mpanjaka tsy manana vaha-olana lavidavitra fa ny eo ambany maso aza tsy hitany. Tia mangala-tahaka ny fototry ny fandrosoan’ny olona fotsiny, tsy manana tetika sy paika tena hampizotra ny fiainam-bahoaka. Fa inona moa ny asan’ny mpanao politika? Tsy hitady io toerana ahafahany mampandroso ny faritra misy azy io? Fa efa nahita ve ianao mpanao politika Gasy nahazo fahefana tany amin’ny faritra ivelan’ny renivohi-paritany teo aloha ohatra, ka sahy nanangan-javatra namorona fandrosoana ho an’ireo mponina ao aminy? Raha misy dia azo isaina amin’ny rantsan-tanana. Raha any amin’ny faritr’i Betsiboka izy no lany ho solombavam-bahoaka, dia eny Ivato izy no manangana tranobe, mividy fiara lafo vidy sns…
Zara raha misy asa foronin’izany ho an’olona folo ao anatin’ny herintaona raha be indrindra. Moa tsy mpandraharaha no lasa mpanao politika ho an’ny Gasy ? Na koa mba manao politika dia lasa mpandraharaha avy eo?Aiza àry no hiangàn’ny fientanana, amin’ireo mponina, ka hialàny amin’ny fahantrana mangeja azy? Na any an-tsaha, na aty an-drenivohitra, na ireo miparitaka any am-pitandranomasina rehetra any? Fepetra henjana tsy ahafahany mivoatra no politikan’ny mpitondra nifandimby. Aiza ny politikan’ny fananan-tany ahafahan’ny tantsaha hifototra amin’ny fambolena? Ireo rehetra mitsoaka mankaty an-drenivohitra dia miroana amin’ny asa zara raha ahafahana mivelona androany fotsiny ihany. Aleon’izy ireny ny fatiny sisa no mody aty. Valim-piakarana dia mety ho fidinana, ka aleo ho tazoniko ny fahanginana.Tsy misy mifantoka amin’ny politika tena ahafahana mampandroso iska rehetra. Tsy mitady ny vahaolan’ny mponina ny mpitondra sy ny mpanao poitika Gasy fa lany andro eo amin’ny fifaminganana. Tsy hanana taranaka ho vavolombelona amin’ny ho aviny i Madagasikara. Ny eny amin’ny fampianarana ambony dia io lany andro sy ampilafilaina amin’ny “bousre d’étude” io. Vintana sisa mba handrasana hampahomby ny olom-pirenena malagasy. Tararaka vavolombelona no misy eto, vavolombelon’ny tsy fahombiazana, vavolombelon’ny fianjadian’ny fahoriana. Rehefa mihalalina ny fahantran’ny ankapoben’ny mponina dia lany andro amin’ny haingo sy gesta ivelany ny mpitondra mpanao politikantsika. (*) Vorona naman’ny vorondolo...Enti-milaza olona varimbariam- poana sy midonanàka amin’ny tsy antony. Ony RAMBELO