ven.

24

sept.

2010

Oroka: Loharanom-piainana

Oroka. Fihetsika iray lehibe ifampizaran’ny mpifankatia. Manana ny anjara asany miavaka tsara ny oroka, raha ny filazan’ny manam-pahaizana. Fihe t s i k a mahomby indrindra hampiakarana ny filana isan-karazany mialoha ny firaisana ara-nofo izy, voalohany indrindra. Faritra anisan’ireo tena mahataitaitra ao amin’ny vatana ny molotra ka miteraka « excitation » aoka izany ny fifampikasohany. Ho an’ny lehilahy manokana dia ny ao amin’ny hatoka sy ny ao ambadiky ny sofina no voalaza ho tena manaitaitra azy. Ny olon-droa mifankatia mahavatra mifanoroka matetika moa dia mifamatotra bebe kokoa, ampifandraisin’ny fitiavana. Mora mahamando ny fivaviana ihany koa ny oroka, indrindra raha hitarina ho elaela.

Ahazoana tombotsoa arapahasalamana ihany koa ny oroka. Mandany hatramin’ny 132 kaloria ny olona roa mifanoroka, satria mihetsika avokoa ny hozatra 29 amin’ny molotra. Izany anefa akory tsy midika hoe mampihena ny mifanoroka. Ho an’ireo be traikefa indray dia voalaza fa miteraka “orgasme” ihany koa ny oroka, saingy tsy voatery hitombina izany ho an’ny olona rehetra. Miankina amin’ny toebatan’ny tsirairay io. Voalaza, ankoatra ireo, fa manatsara ny fikorianan’ny ra ihany koa ny oroka, noho izy mampisokatra ny lalan-dra vokatr’ilay “hormone” miforona manokana. Ny “hormone” antsoina hoe “ocytocine” ateraky ny oroka kosa dia mahatonga ny olona mazoto mifanoroka ho ela velona kokoa, noho izy manala ny rarin-tsaina. Araka ny fikarohana japoney iray dia fantatra fa mamokatra ny hery fiarovana atao hoe IGE ny oroka. Hery fiarovana miaro amin’ny “allergie” rehetra izy io, nefa koa mety hamindra aretina raha toa ka olona marary no orohana. Tsy dia ilana fahaizana loatra manao ahoana ny fifanorohana. Ny fihetseham-po sy ny fitiavana ary ny fahavonona hanome ny tsara indrindra avy any anaty no mibaiko ny fihetsika rehetra ifampizarana eo. Koa raha oroka iray no mahasalama, inona no antony tsy hanomezana azy ho an’ny olon-tiana, sady izay indray tsy misy vola miala. Ny fahadiovana fotsiny no tokony hotandrovina dia ny fiborosiana nify tsara sy ny fanamboarana izay tsy metimety rehetra ao amin’ny ativava mba tsy hahaleo ny ankilany amin’ny oroka.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    dada (vendredi, 24 septembre 2010 18:44)

    jereo e

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra