ven.

24

sept.

2010

Fihaonambem-pirenena: Mbola miteraka resa-be foana e !

Tsy mbola mijanona hatramin’izao ny fanehoan-kevitra mikasika iny fihaonambem-pirenena izay natao tamin’ny herin’andro lasa iny. Samy nanakiana avokoa na ny andaniny izay nahitana ny mpikambana sasany ao amin’ny FAT na ireo mpizaika. Etsy ankilany kosa izay ahitana ireo ankolafy telo, toa azo lazaina anefa fa dokotera ao aorian’ny fahafatesana ihany izany fanakianana izany satria efa miaha miroso amin’ny dingana izay fanamafisana hatrany ny sezany ireo mpitondra isan’isany ao amin’ny FAT. Amin’izao dia mody lambolamboan’ny mpitondra ao amin’ny FAT ny vahoaka fa efa hanaparitaka ny vokatry ny fehi-kevitra nivoaka nandritra ny fihaonam-be any amin’ny firenena mikambana sy ireo mpamatsy vola..........

Zava-poana ihany ireny fihaonambem-pirenena ireny hoy ny ankolafy telo. « Efa fanta-poko fantam-pirenena fa tsy hahazo ny fankatoavana hiraisam-pirenena velively ireny satria mbola « unilaterale » hatrany, noho ny tsy fiarahan’ny ankolafy efatra nanomana azy. Ny tena lehibe indrindra ihany koa dia ny tsy niarahan’ny Raiamandreny mijoro sy ny CNOSC nanomana ny fihaonam-be ». Etsy andaniny kosa anefa dia nanizingizina ny ao amin’ny FAT fa efa voasolo tena tao avokoa ny ankolafy telo satria niara nandray anjara mavitrika tao avokoa ny HPM, ny TIM ary ny AREMA « an’ny mpikambana rehetra ny antoko fa tsy an’ny filoha, noho izany dia efa ampy ny fandraisan’ireo antoko ireo anjara fa tsy voatery hiandry ny fandraisan’ny filoha teo aloha anjara akory ny famahana ny krizy ». Ho fehin’izany anefa dia tokana ihany ny tenin’ny mpanelanelana vahiny Atoa Chissano hatrany am-piandohan’ny fanelanelanana « raha toa ka tsy miara mikarakara, ary miara mandray anjara ny ankolafy efatra izay ahitana ny filoha efa-tonta dia mbola azo lazaina fa fanapahan-kevitr’olo-tokana hatrany no mivoaka eo». Tara loatra angamba ireo fanakianana izay ataon’ireo tsy mankasitraka iny fihaonam-be iny, vao maika mantsy tafiditra amin’ny kizo isika noho ny tsy fandraisan’ andraikitra hatrany am-piandohana. Dia resa-be toy ny resa-be hatramin’izay sisa ny fanakianana na dia nisy aza ny tsy fihetezan’izany.

Fandresen-dahatra poakaty foana e!

Tsy leo ny mampandry adrisa mihintsy ireto mpitondra ireto. Ataony avokoa izao resaka rehetra izao na dia efa fantany aza ny ho vokany sy ho valin’izany. Andro vitsivitsy tokoa izay no nahenoana fa hiezaka ny hanaparitaka ilay fehi-kevitra nivoaka teny amin’ny fihaonambem-pirenena any amin’ireo firenena any ivelany sy ireo mpamatsy vola ny filohan’ny FAT. Efa mazava anefa ny ho valin-tenin’izy ireo, indrindra amin’ny filazana fa hiroso amin’ny fifidianana tsy mamaha olana isika. Asa tokoa aloha na fantatry ny be sy maro na tsia fa tsy hanova n’inon’inona ny fanaovana io fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina io. Fifidianana natao hanamafy orona ny fitondrana FAT io, fa tsy hamaha ny krizin’ny Malagasy velively, satria raha mbola tsy hahazo ny fankatoavana hiraisam-pirenena isika dia tsy hahita vola hampiodinana ny asan’ny kaominina sy hampandrosoana ny kaominina izay ben’ny tanàna lany eo. Dia ho fidiana atao inona ary hoy ianao izy ireo? Hanamafy ny sezan’ny FAT?

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra