mer.

22

sept.

2010

Tany lavitr’andriana

Mbola maro ireo faritra na distrika sy kaominina ary fokontany lavitra andriana eto Madagasikara. Noho izany dia mbola manjaka any an-tanin’ny jamba ny toka-maso, sady mbola mandravarava any an-tanin’ny banga ny tokanify. Izay aloha hatramin’izao no azo amehezana ny zavamisy ataon’ireo mpanao politika. Maro amin’izy ireo mantsy no efa manao ny fomba mahazatra hatrizay, dia ilay propangandy alohan’ny fotoana. Miraradraraka ao anatin’ny kabary tsara lahatra na mody hevitra tonga tampoka vao teo ny fampanantenana marobe. Vaky vava noho izany ireo tambanivohitra tsy ampy solaitra ka mihoby sy mitehatehaka ary mihorakoraka mafy hoe : “izany ka tena izy, mety hahavita zavatra tsara ho antsika”. Atao ahoana tokoa moa no tsy hankasitraka izay olona vonona hanasoa ny fiainanao? Atao ahoana no tsy hisaotra izay olona mampanantena fa hanamboatra ho “synthétique” ny kianja filalaovan’ny tanora baolina sy hamita ilay lalana ratsy indrindra eto Madagasikara izay mirefy 120 km mahery? Atao ahoana no tsy hitehaka izay olona vonona hanorina hopitaly lehibe manara-penitra ho amin’ny fitsaboana ireo taranaka amanjafy? Inona no manakana antsika tsy handrotsa-bato ho azy rehefa ho avy ny fifidianana? Ny asa vita ihany anefa no hifampitsarana........

Any amin’ireny tany lavitra andriana ireny koa anefa dia tsy misy onjampeo na fahitalavitra hafa azo henoina sy jerena afa-tsy ny radio nasionaly sy fahitalavi-pirenena. Ho an’izay mba manana herinaratra moa dia mba maharaka vaovao tokoa na dia diso ihany aza izany tsindraindray, fa ho an’izay tsy manana kosa dia tsy maintsy mitsitsy ilay vatoaratra kely novidiana lafobe. Raha sendra ka misy olona hafa tonga manazava ny tena zava-misy marina any amin’ireny tany lavitr’andriana ireny dia ambaran’ny vahoaka fa mpamafy lainga mihitsy aza ka mety horoahin’izy ireo hiala ny tanàna. Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny tsy fahampiana solaitra. Zary mora ambakaina ny vahoaka raha zara fa nandia sekoly izy ireo. Tambazana volakely sy fampanantenana dia izay aroso eo anoloany avy eo tsy maintsy ho lany. Indrisy ry faritra, distrika, kaominina ary fokontany lavitra andriana.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    gasy (vendredi, 24 septembre 2010 03:40)

    marina tsy misy hokianina mihitsy ireo voalaza rehetra ireo. ny tena loza dia tsy mety miova ilay vahoaka mpifidy fa mihinana am-bolony ny voalazan'izay be kobakam-bava eo foana. tsy mba mety fay dia maka lesona. mahakivy... satria tena mbola lavitra ny lalana.

  • #2

    anti-fozaorana (vendredi, 24 septembre 2010 08:04)

    1.mpamafy lainga ny tena olana eto amintsika dia ity TVM sy RNM ity: hita mihitsy hoe ampiteneneina fotsiny fa tsy manana an'ilay hoe tsy fiandaniana mihitsy. Raha rakoto no mitondra androany de zay mahafalifaly andrakoto no ataony, raha rabe rahapitso de torak'izay indray ary tsy menatra mihitsy manaratsy andrakoto. De mahamenatra le gasy e! (vao2 TVM 24/09/10 t@ 7h de hoe manainga ny FAT...y hanao ny referendum hono ny Communauté internationale???????? CI iza ary zany???) 2.ny olana ho ani TGV nge de le reconnaissance internationale mihitsy e, ary asa na odiany tsy fantatr fa Disk goaka foana nge io ampandihizan'ing DJ io e, hany ka tsy mahazo tehaka mihitsy izy na de efa tsembodratsy mihitsy aza nanao an'ireny: assise regional, dinika santatr, conf national, accords politique, fifidianana tsy matotra foana..., ny tena nahavoa an'i DJ nge hono namalakira i lery raha vao tonga avy any Maputo sy addis abeba e, de notsipahan'lery daholo ny bandy akamany telo (ramarc sy radeba ary raprofesora) fa te handeha irery @zay hono lery e. Nefa t@izany hono mbola nanana contrat betsaka ry zalahy.... Dia io tsy mety tafavoaka io mihitsy ny baolina!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra