mer.

22

sept.

2010

Fitohizan’ny fanonganam-panjakana ?

Hanao letrezana ihany « ny mpandrombaka fahefana », tsy hanaiky izay resaka tokony hifanarahana, tsy hanaiky ny firosoana mankany amin’ny fampandehanan-draharaham- panjakana miankina amin’ny fanarahan-dalàna, hanentsi-tadiny amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy hitady fitoniana ara-politika fa hampiasa hatrany ny hery ara-tafika eo an-tanany ? Veloma ry fahafahana sy demokrasia, mampamangy ry fampandrosoana isamparitra. Ho ela fanapahana sy ho tsy refesi-mandidy ny « tetezamita Avo ». Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana izay tapaky ny fikaonandoham-pirenena isika izao. Handray ny andraikiny mifanaraka amin’izany ny mpi tondr a ant s i k a . Nampanantena izy fa tsy hisy intsony ny fihemorana sy ny andraso andraso. Hirosoana ny fitsapan-kevi-bahoaka araka izay efa niantsoana ny mpifidy hanatanteraka ny adidiny ny 17 Novambra 2010 ho avy izao.......

Haroso ho fidian’ny mpifidy ny hisian’ny lalàmpanorenana vaovao sady tsy manome fahefana feno ny filoham-pienena no tsy ampy hahatompon’antoka ny solom-bavam-bahoaka (sadasada manan-tsoratra), haverina hiainana indray ny faritany enina izay lovantsika tamin’ny mpanjanaka (moa zava-baovao ve izany?), Hajoro ny fahefam-pitsarana hahafahana mitsara ireo mpitondra fanjakana (moa tsy efa voasoratra tao amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo va izany?). Masi-mandidy ? Fa ambonin’io resaka fitsapan-kevi-bahoaka io dia misy resaka ho fandaminana ny « fahefana avo ankehitriny ». Tsy ilàna fakan-kevitra intsony izany fa tonga dia nomen’ny mpivory fahefana feno (?)ny fitantanana ny tetezamita ankehitriny… Haongana daholo izay mbola manam-pahefana napetraky ny safidim-bahoaka mivantana. Rehefa voahongana tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny filoham-pirenena voafidy farany, dia notohizana tamin’ny fampiatoana ireo solombavam-bahoaka, ny loholona, amin’ i zao dia hosoloina ho PDS ry “Ingahy Mera”. Manerana an’i Madagasikara izany dia tsy misy olom-boafidy intsony na IRAY monja aza (“vahoaka” toy ny inona r ’Ingahiroa no hanaiky an’izany?). Izay rehetra notendrena kosa dia hohamafisina ny toerany toy ny filohan’ny fahefana avo, ny an’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana. Fa mbola hanendry hafa ihany koa hiasa any amin’ny Faritra miisa 22, ny distrika 119, ny any amin’ny fahefana nolazaina fa hanao lalàna any. Dia mazava izany fa ireo olona « tsy homby dimy arivo » nivory teny andrefan-tanàna no ho tompon’ny familiana ny ho avin’ny firenena, nanongana ny safidim-bahoaka no natao teto nandritra ny 18 volana. Koa azo hinoana ve ny hahazoan’izany fanapahankevitra izany fankatoavana eto amin’ny sehatra anatiny? Mazava koa fa namovoka fot s iny sy hi janona ho nofy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tetezana lavabe Aiza no tokony hisian’ny ady hevitra manomboka eto? Mbola hifandrohitana ve ny tetezamita sa hiarahitsikombakomba amin’ny fanonganam-panjakana efa natombony ny daholobe? Iza no tena hijery ny fihetsiky ny tompom-pahefana? Tsy ho azo inoana ny hilaminan’ny fiainam-bahoaka amin’ity fanapahana teny Ivato ity, satria dia natao hiparitaka manerana an’i Madagasikara izany ny korontana arapitantanam- panjakana taty ambony taty. Hatao tetezamita madinidinika daholo izany isaky ny kaominina? Dia hapetraka eo ny PDS? Dia hisy olom-pi renena hijoro hanohitra izany? Satria hiaro ny olom-boafidiny izy? Dia hisy andian-tafika madinidinika koa hamoritra ireny « vahoaka kely » ireny? Dia ho tohizana lavabe ny tetezamita satria mety hisy ota mahafaty tsy hahazoana famotsoran-keloka koa anie haterak’izany e! Sao fanakorontanana àry no natao tao amin’ny fikaonan-dohampirenena? Mba sanatriaviko ihany ny vavako fa h

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra