mar.

21

sept.

2010

Vehivavy kely nono: Aza menatra

Voaresaka matetika fa maniry ny hanana nono be vatana ny ankamaroan’ny vehivavy kely nono. Tsy mitombina izany, araka ny fanadihadiana nataon’ i Elizabeth Dale, manam-pahaizana nanoratra boky mikasika izany manokana. Efa betsaka ireo tranombarotra mamokatra tati-nono natokana ho an’ny vehivavy kely nono eran’izao tontolo izao, raha ny fanazavany. Midika izany fa afaka mirehareha tsara amin’ny nonony ny vehivavy manana nono kely vatana. Nolazainy ihany fa mamoaka ny endrika voajanahary ny nono kely eo amin’ny vehivavy ka tsy tokony hahamenatra na hafenimpenina, no manaitaitra ho amin’ny filana ihany koa.......

Mitodika any amin’ny vehivavy be nono hatrany mantsy ny dokam-barotra sy ny fampifantohan-tsaina ny olona amin’izao vaninandro izao. Efa leon’ny rarin-tsaina aterak’izany fanindraindrana entin’ny fanatontoloana izany ny ankamaroan’ny andriambavilanitra ankehitriny. Ilay mpilalao sarimihetsika malaza Kate Hudson aza dia mampiseho an-karihary ny nono keliny mihitsy, tsy amim-pisalasalana ho fanoherana izany fandemena saim-bahoaka izany. Afaka mianatra izany tsara ny vehivavy manana nono kely vatana tahaka azy. Na izany aza, tsy eo imasombahoaka na imason’olompady kosa !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra