mar.

21

sept.

2010

Tetikasa Ambatovy: Amin’ny taona ho avy ny fitrandrahana

Iray amin’ireo tetikasa goavana aty Afrika sy aty amin’ny ranomasim-be indiana ny tetikasa Ambatovy. Mitentina 4,5 miliara dolara ny fampiasambola ao anatiny. Nikela 60 000 taonina sy kobalta 5 600 taonina ary zezika “sulfate d’ammonium” 190 000 taonina no tokony hovokarina isantaona mandritra ny 27 taona raha kely indrindra, miainga eto amintsika, haondrana eran’izao tontolo izao.

Teknolojia avo lenta Nitsidika ny ozinina fanodinana sy fitrandrahana ary fanadiovana ao Antanandava Toamasina izahay ny herinandro lasa teo. Goavana tokoa ny ozinina izay misandrahaka amina velarana 320ha. Sarotra ho an’ny saina ihany koa ny hamisavisa ny haavo lentan’ny teknolojia miasa ao. Dingana 16 izay mifampitohy tsy an-kiato no lalovana vao ho afaka hahazo vongana nikela sy kobalta manara-penitra.

Mizara sampan- draharaha telo ny orinasa ao Antanandava, raha ny fanazavan- dRamy, teknisian’ny tetikasa Ambatovy. Ao ny antsoina hoe PAL, izay hanasivanana ny tany mena mitondra ny nikela sy ny kobalta avy any Moramanga, hanadiovana ny ampahany amin’ireo loto mbola mifangaro aminy. Ao ihany koa ny fanadiovana izay hanasarahana ny nikela sy ny kobalta ahazoana ilay vongana ho azo haondrana. Farany dia misy ny antsoina hoe “auxiliaire”, izay ahitana ozinina fito. Anisan’ireo ny ozinina hamokatra herinaratra izay voaomana hamoaka herinaratra 80 mégawatt, ilain’ny orinasa. Ao ihany koa ny ozinina famoriana “ammoniaque” …

Tohin’ny asa Ny 70%-n’ny asa fanorenana ireo fotodrafitrasa no vita ao Antanandava hatreto. Raha ny tokony ho izy mantsy dia hanomboka amin’io taona 2011 ho avy io ny asa fitrandrahana sy fanondranana. Efa voapetrapetraka sy voaomana nandritra ny folo taona ny fikarakarana sy ny fiatrehana rehetra mifandraika amin’izany. Am-periny ihany koa ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ao an-tanànan’i Toamasina, izay tosika mavesatra avy amin’ny tetikasa Ambatovy, hapetraka hifanindran- dalana amin’ny filan’ny fanondranana ny nikela sy ny kobalta. Anisan’ireo ny lalamby natao hivezivezen’ny masinina hitatitra ny vokatra miainga any amin’ny ozinina Antanandava mipaka any amin’ny seranan-tsambo, ny fitehirizana “ammoniaque” ao amin’ny depôt Analankininina, ny asa fanitarana ny seranantsambo sy ny maro hafa. Fanoitra iray lehibe miantoka ny fampandrosoana ny tanànan’i Toamasina, hatramin’ny firenena iray manontolo mihitsy ny fisian’ny tetikasa Ambatovy, hitrandraka ny nikela sy ny kobalta any amin’iny morontsiraka atsinanana iny. Tokony ho hita taratra amin’ny ara-tsosialy sy ny ara-toe-karena ireo. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra