mar.
21
sept.
2010
Mitehaka mafy erý ny Gasy fa amin’ny teny vahiny no nanaovana ny famintinana ny resaka nandaniany rora nandritra ny dimy andro. Miandry izy satria Gasy, ny teny vahiny aloha no vita satria nilaina maika ilay « fehin-kevitra », ary nohazavaina tsara fa rehefa manoratra ireo manam-pahaizana sy mpanao ny famintinana dia ny teny vahiny no manavanana azy kokoa. « Mitomania ry taniko » : Iza amintsika Gasy petaka ireto no mahay milaza fihetseham-po amin’ny teny vahiny ? Iza no hangata-pitahiana amin’ny Mpamorona sy ny razantsika ka hivolana amin’ny tenin’i Sarkozy ? Inona no hevitra fonosin’ilay hoe : « avelao ho avy izay ho avy , avelao hitranga ny olana», fa tsy misy mitambitamby amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Olona an’arivony no voatery nihafihafy eo amin’ny taniny sy ao an-tranony. Omena azy ny voninahitra ary tsy maintsy amin’ny tenin’izy ireo no hampahalalàna azy ny diniky ny Gasy. Mahagaga? Sa mandeha ho azy ny fijerintsika izany? Iza marina no tena mila vazaha sy mila ranondranony amin’ny vazaha e? Ka mila sehatra iraisam-pirenena sa tsia e? Maninona « izy » raha miandry ?........
Tsy omena vola, tapahina ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-toekarena. Amin’izao fotoana izao dia misy ny fivoriam-ben’ny firenena mikambana handraisan’ny filoha mpitondra fanjakana maneran-tany miisa ho 150, fa isika tsy mba tonga any fa voafefy eto, bedesin-dava eto…kanefa dia dinika mahakasika ny fahantrana no atao any. Dia io isika fa hamerina indray ny fitsinjaram-pahefana napetraky ny mpanjana-tany. Nasehontsika fa ny fizaram-paritry ny faritany enina no mety amintsika. F’angaha nisy fandrosoana indray tamin’ny tarazo napetraky ny vahiny? Tsy hitomany intsony ny taniko fa higogogogo tsy ho laitra hampanginina, tsy handohalika intsony fa efa voahitsaka hatrany an-tampon’ny lohany. Hampiainina mandritra ilay repoblika vaovao indray ny lalampanorenana sady tsy Gasy no tsy vazaha. Isika dia ho fanandramana izay zavatra tsy misy vidiny rehetra io. “Mixte”, hono, io lalampanorenana ho laniana amin’ny fitsapan-kevibahoaka io. Sady tsy lahy io izany no tsy vavy, tsy tokam-bolo fa metisy? Dia hino ve isika fa hilamina amin’izany filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena hifandriro-pahefana izany? Filoha voafidy mazava sy Ben’ny tanàna nivonon-ko tompony aza tsy hitantsika ny famahana azy mandrak’ity ny anio. Verivery foana ny tolon’ireo tsy nanaiky ny fahefam-bazaha sy ny teti-dratsiny teto. Fa velona indray izao ny zaza navelan’ny vahiny mpankato sy mpanao “oui, oui”. Tsy fankahalana vahiny tsy akory no maha-Gasy ny Gasy, fa ny hambony mahatsiaro ho tompon’ny taniny sy ny hevitra tiany hitondràna ny taniny. Raha mbola mangatak’atiny hatrany io Gasy io dia mbola hitomany mafy hatrany ny taniko. Handohalika hatrany ny mponina ao aminy. Aza misy anie izany e! Ony RAMBELO