mar.
21
sept.
2010
hialokalofana no hanimba ny fihinanana. Nipararetra avokoa ireo ben’ny tanàna mbola tafajanona amin’ny toerany, raha vao nandre hiakan’ny mpizaika eny amin’ilay hambara ho fikaonandohampirenena, fa hosoloina PDS ireo olom-boafidy ireo. Toy izany ny lehiben’ny faritra, izay ho soloina adiministratera sivily. Tsy nasiana fanavahana ireo, fa izay lany tamin’ny safidim-bahoaka, dia mety hiongotra amin’ny toerany avokoa. Azo antoka, fa izay mahitahita sy olona akaiky ny fitondrana ankehitriny, dia hisalotra ny anarana PDS avokoa atsy ho atsy......
Midika ireo, fa izay toerana mbola tafajanona nandritra ny fitondrana teo aloha, dia hovàna avokoa. Toran-kovitra ireo ben’ny tanàna mbola amperin’asa nandre izany. Ny tena loza, dia ireo efa namadika palitao, mba hiara-dàlana amin’ity tetezamita ity, ka nanadino ny soa nifanaovana tamin’ny fitondrana teo aloha, no indro fa ho very anjara mofo mamy sahady. Nokaikerin’ny amboa kely tiany hoy ny fomba fiteny izay. Ny azo antoka, dia izay vao haka ny toeran’ny mpanohitra ireny ben’ny tanàna ireny, satria izay olona very seza sy fihinanana, dia ireny manamafy ny toerany ho mpanohitra ireny. Izay tsy tafiditra amin’ny adrim-panjakana izay hajoro eo izany, dia any amin’ny PDS no manantena anjara masoandro e. Inona intsony moa no ilàna fifidianana raha izao no mitohy ? Ny tsy azo lavina mantsy, dia mananontanona ny fifidianana atsy ho atsy, ary ahiana ho mety tsy azo baikon’ny sasany ireo ben’ny tanàna ireo, ka aleo soloina haingana, mba ahafahana mandresy amin’izay fifidianana hatao ? Sa eritreritra diso izany ? Pilo kely