lun.
20
sept.
2010
Hatramin’izay dia dokafana fa ry zareo Frantsay no tena tompony amin’ny resaka fitiavana sy fahaiza-manao mikasika io lafiny io. Navoakan’ny fanadihadiana farany indray anefa fa nihemotra be ry zareo momba io resaka io. Ny ¾-n’ny mpivady frantsay no voalaza fa tsy mahavita manefa ny adidiny firy intsony mikasika ny famanana fandriana. Vehivavy Frantsay iray amin’ny telo no mikaroka sy mamorona hevitra ialana, tsy hanaovana firaisana ara-nofo. Ao ny milaza ho marary an-doha, ny vizana, ny mody mampiditra ny resaka ankizy … Mitovy amin’izay ihany koa ny lehilahy Frantsay iray anatin’ny enina. Any amin’ny firenena eoropeana any mantsy dia mirehareha fatratra ry zareo Frantsay hoe tompon’ny fitiavana, hono. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia tena hita fa mbola resin-tory tanteraka ry zareo momba io raharahampitiavana io amin’izao fotoana izao. Nanapa-kevitra ny toeram-pivarotana fanafody any an-toerana, nanao karazana fanentanana hoentina manaitra ny mpivady frantsay. Betsaka ny hetsika notanterahana tao anatin’izany. Tokana ny tanjona, dia ny hamohazana ny taovam-pananahan-dry zareo Frantsay !