lun.

20

sept.

2010

Fifidianana volana novambra: Hihemotra sa hatao tandrametaka ?

Hifarana anio ny fihaonambem- pirenena ! Izay tapaky ny mpivory ao no ho tanterahan’ny mpitondra ao anatin’ny FAT ankehitriny. Isan’io ny fifidianana izay hataontsika atsy ho atsy, ary mety ho ny fitsapan- kevi-bahoaka no handeha aloha amin’izany, izay hamaritra ny repoblika faha-efatra. Ny filan-kevitry ny ministra, dia efa nanainga ny vahoaka mpifidy hiomana amin’ny fifidianana ny 17 aogositra lasa, izany hoe ny 17 novambra no hanaovana ny referandaoma. Hatramin’izao, mbola tsy voafaritra ny lalampanorenana ho fidiana, ary tsy hay na hisy hevitra roa na telo hivoaka ao amin’ity fivoriana eny Ivato ity na ahoana, fa efa miketrika ao avokoa aloha hatreto ireo mpiray donak’afo amin’ny mpitondra, mba hirosoana haingana amin’ny repoblika faha-efatra............

Tsy voadinika iray volana Hametraka ny lalampanorenana tena izy tsy hisian’ny korontana isan-taona isika. Midika izany, fa tsy azo hirotorotoana ny fanaovana azy. Mila manam-pahaizana amin’izany isika, ary tsy tokony hisy fiandaniana politika. Tsy vita iray volana ny fandinihana izany, ary mety hisy hitaky ny hametrahana ny lalampanorenana ho amin’ny rafitra federaly sy lalampanorenana teokratika sy ny maro hafa. Tsy azo ahilika, na tonga dia kilasiana ho tsy mahomby ireny, fa alaina ambony, sy alaina ambany ny hevitra tsara raketin’izany. Midika avy hatrany izany, fa mbola ho lava ny andro handinihina ny pitsopitsony momba ny fifidianana hatao eto. Ny vola sy ny fitaovana, mbola mistery, eny fa na dia manambara aza ny fitondrana ankehitriny fa tsy misy olana ny amin’izany. Ny fifidianana iray, dia mahatratra hatrany amin’ny 50 miliara ariary, raha kely indrindra. Ny fanaparitahana ny bileta manerana ny faritra 22 tsy vita herinandro, satria misy toerana saro-dalana. Lalampanorenana firy ihany koa no asaina ho safidian’ny olona, iray toy ny mahazatra ve sa misy maro hisafidianana ? Raha resy ny ENY, hametrapialana ve ny mpitondra ankehitriny, sa hiketrika zavatra hafa indray, mba ahafahana mitazona ny toerana efa azony ankehitriny ? Ireo rehetra ireo, dia efa tokony ho fantatry ny vahoaka telo volana alohan’ny tena hanaovana izany fifidianana izany. Izay no hilazana fa mety hihemotra io daty hanaovana ny fifidianana io, raha tsy hoe angaha hatao tandrametaka indray, ka hiteraka lesoka sy olana vaovao eto amin’ny firenena. Ny fiatombohan’ny volana novambra izao mantsy no tokony hanomboka ny fampielezan- kevitra ho an’ny ENY sy ny TSIA, ka raha iray volana sy tapany ato aloha, mbola tsy misy mangirana, fifidianana inona no ho vita amin’izany ? Sa mahay mistery toy ny mahazatra hatramin’izay ity tetezamita ity ?

Firy no isan’ny mpifidy marina ? Volana maro izay, dia efa miroso amin’ny fanisam-bahoaka ny eny anivon’ny fokontany. Tsy mbola fantatra marina ny tena isan’ny mpifidy handatsabato amin’ny volana novambra izao. Ny lalàm-pifidianana ihany koa mbola ilay taloha nomena tsiny sy nandrodanana ny mpitondra teo aloha ve sa hamaritra vaovao. Tsy mbola hita taratra mazava ny asan’ilay vaomiera manokana najoro hikarakara ny fifidianana, na dia hambara fa miasa mangina aza. Ho sarotra ihany koa ity fifidianana izay kasaina hatao ity, satria efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra izany volana novambra izany. Hatreto aloha, na hisy na tsia io fifidianana kasaina atao afaka roa volana io, dia mety tsy hahavaha olana izany, satria ny kaonferansa nasionaly aza efa lavin’ny firenen-dehibe erantany, satria mbola mandeha ila, ary misy ankolafy izay fototry ny famahana ny olana eto, tsy mandray anjara amin’izao dinika eny Ivato izao. Izay no mbola hamerenana hoe terenko masaka hatrany ve izay asa tokony hiarahana manao eto ? Sa izay lalany eo, dia tsy maintsy hankatoavin’izay tsy te-handray anjara sy ny any ivelany ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra