mer.

15

sept.

2010

Vahaolan’ny samy Gasy: Efa mankaleo ny vahoaka

Raha nodradradradraina etsy sy eroa fa hain’ny samy Malagasy ny famahana ny krizy eto amintsika dia toa tsy mampino ny rehetra izany. Somebi seby fat rat r a ny fitondrana tetezamita amin’ i zao fotoana i zao amin’ny fanaovana ny fihaonambem- pirenena, ho famahana ny olana eto amintsika araka ny hevitr’izy ireo, dia mampametra-panontaniana ny vahoaka ihany. Hitondra vahaolana marina ho antsika ve izy ity ? Sa dia natao fotsiny ho fandaniana andro sy vola ary indrindra ho fanalavam- potoana hijanonana eo amin’ny fitondrana fotsiny. Ny zavatra hita sy tsapa eto manko dia toa tsy namaly ny antso rizareo avy amin’ny ankolafin-kery sasany, izay midika fa tsy ho ankatoavin’ny firaisam-ben’ny firenena avy any ivelany ny tsoa-kevitra tapaka eo satria tsy hevitra niarahana nanapaka........

Etsy andaniny kosa, dia mbola miezaka ny manao fivoriana sy fanehoan-kevitra, ary fifandimbiasam-pitenenana ireo mpomba ny ankolafy telo, etsy Behoririka, ho fitadiavana vahaolana. Koa dia niditra nivantana an- telefonina indray ny dadan-drizareo, ka nilaza fa mbola ho avy ka hiverina eto an-tanindrazana tsy ho ela. Ity resaka « hiverina tsy ho ela » ity mihitsy no mahagaga fa toa efa lasa diska loaka ka mankaleo, hoy ny fitenenana. Nefa moa ireo mpitolona dia tsy kivy amin’izany “tsy ho ela” efa ho herintaona mahery izay fa dia manantena sy miandrandra foana satria izay ilay teny baiko hoe “minoa fotsiny ihany e”. Ny lalana hitan’izy ireo fa vahaolana dia ny fialan’andriamatoa Andry Rajoelina, resaka fotsiny anefa ny azy ireo fa tsy misy asa atao akory hanatanterahana ilay vahaolana. N y mi a r ami l a i z a y tandroka aron’ny vozona, tokony ho lalana farany hivoahana amin’ny krizy indray, dia toa tsy araka ny anantenana azy, fa lasa mirona any amin’ny firehana politika koa izy ireo (ny lehibeny), lasa tsy vahaolana intsony ho an’ny firenena, satria manjaka ny loko politika arahina, lasa tsy misy ny fifampitokisana eo amin’izy ireo sy ny vahoaka. Raha izany ary no izy, dia tsy ho hita mihitsy ny lalana hivoahana amin’izao krizy izao, satria samy tsy misy atokisana avokoa ireo tolokevitra samy Malagasy telo ireo, raha ho an’ny vahoaka madinika sy ny olon-tsotra. Raha t sy hoe angamba hilatsahan’ny fanahy masina ireo lehiben’ny ankolafy efatra izay nifanao sonia tany Maputo (ny filoha telo Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Ravalomanana Marc, ar y ingahy ben’ny tanàna Andry Rajoelina) ka hampihatra ilay fifanarahana voasonia tany, satria iny ihany no lalana ankatoavin’ny sehatra iraisam- pirenena fa sehatra iray ho famahana ny krizy misy eto amintsika.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra