mer.

15

sept.

2010

Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa: Nanapoahana basy teo amin’ny sofiny

“Tsy maintsy miteny fa tsy hangina eo anatrehan’ny fahamarinan’ny Filazantsara”, “ misedra lalan-tsarotra ny asam-panompoana ka tsy maintsy mijoro ny mpanompon’Andriamanitra.” Izay no tenin’ny Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa, nosamborina tamin’ny raharaha FIGN teny Mausolée, ka naiditra am-ponja nandritra ny telo volana. Nanokanana fanompoampivavahana teny amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ny fahafahana vonjimaika azon’ity Mpitandrina ity, ary nanambarany fa hiverina hanohy ny asa fanompoana eo anivon’ny Fiangonana izy. Hanohy ny andraikitra maha filohan’ny STK FJKM eto Madagasikara azy izy, ary hitana hatrany ny andraikiny amin’ny maha talen’ny famoahana ny gazety Tanora Fianarana, gazety vokarin’ny STK foibe FJKM ny tenany......

Nekena am-pitiavana ny zava-nitranga

“Mafy dia mafy ny sedra nahazo ahy teo am-pisamborana ahy” hoy Pasitera Valisoa. Anisan’ny olona niaf ina indrindra izy tamin’ireny raharaha ireny, saingy iny izy voasambotra iny. Naboridana sy nodarohana tao anatin’ny ora iray nisamborana azy. “Nanapoahana basy teo amin’ny foto- tsof iko s y tamin’ny tongot ro” hoy ihany Pasitera. Ny herinandro voalohany tany am-ponja dia tsy afaka nihaona tamin’ny havany, ary teo no nilazany fa “vonon-ko faty” izy. Safotra irery tao am-ponja sady mangan’ny daroka ny vatany. Hariva tamin’ny 6 ora no nitondrana azy teny amin’ny lapan’ny fitsarana. Lehilahy 7 sy vehivavy 1 no nentina tao, ary nafenina tsy ho hitan’ny olona. “Baiko ny fampidirana am-ponja anareo” hoy ny mpitsara niresaka tamin’i Pasitera. Vono olona no niampangana an’I Pasitera. Ny herinandro faharoa nidirany am-ponja vao naiditra hopitaly izy, tsy nahazaka tena fa notantanan’olon-droa. Taorian’izay dia in-telo no nangataka fahafahana vonjimaika saingy tsy nahazo hatrany. Tamin’ny voalohany dia voalaza fa tsy hita ny antontan-taratasy momba azy. Toy izany hatrany, saingy tampoka no nandrenesana fa hita ny taratasy.

Resy lahatra…

“Faharesen-dahatra ny hevitra amin’ny raharahampirenena”, hoy ihany Pasitera Valisoa. “Ahy irery ny hevitro fa tsy nitarihako olon-kafa. Namporisika ahy ny fahatsiarovana ny raharaha 1991 izay nitarihan’i Pasitera Fety Michel ny mpiofana ho mpitandrina teny Ivato sy Ambatonakanga, nilahatra nankeny amin’ny kianja 13 mey. Mijoro hatrany ny mpanompon’Andriamanitra” hoy izy. “Ny mivavaka no anjar ant s i k a” hoy Pa s i t e r a Valisoa, namaramparana ny laha-teniny. Vokatry ny vavaka no nahatafavoaka ny gadra politika sasany sy ny mpanao gazety ao amin’ny radio Fahazavana. Vavaka ihany koa no efa mampiseho masoandro ireo mpanompon’Andr iamani t ra izay voatery niafina noho ny haza lambo natao azy. Ny birao sy tonian’ny STK foibe no nanomana ny fanompoam-pivavahana. Ny Mpitandrina Andriamalala Solomon kosa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, notsoahana tao amin’ny Korintiana faharoa 4 : 7-15, taorian’ny namakiana ny tenin’Andriamanitra hita ao amin’ny Salamo 66 : 10-20 tao amin’ny Matio 10 : 16-28. Mitondra ny teny fisaorana ho an’ny Malagasy rehetra i Pasitera Rafanonerantsoa Valisoa sy ny vady amanjanany. Isaorana ny FJKM foibe sy ny isa-pitandremana.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Farany (mercredi, 15 septembre 2010 18:16)

    Mankahery anao Pasitera. Mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony. Ahy ny famaliana hoy Jevovah.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra