mer.
15
sept.
2010
Tsy azo dinganina fotsiny ny finiavana ananan’ireo rehetra manatontosa sy miketriketrika ity fihaonana mandritra ny dimy andro eny Ivato ity. Goavana ny fihetsiketsehana, goavana ny fikarakarana, ary tsy moramora io fa mila finiavana sy fanatontosana tena mendrika. Olona mpizaika manodidina sy tsy latsaka ny telo arivo anie no havondrona ao amin’ny toerana iray e! Fa ny maha-lasa ny saina dia izay mety ho vokany, izany avy hatrany no mby ao antsaina satria tsy manana zo hanao hadisoana intsony izao fitondrana manatanteraka ity fihaonana ity.......
Mialangalana moa ny mpitondra fa tsy mikarakara mivantana ity fihaonana ity kanefa miharihary ihany ny toe-javatra misy. An-tapitrisany ny vola mikoriana ao, ary volam-panjakana no ilazantsika rehetra azy io. Tsy misy tsy nahamarika isika fa nanao fihetsika namoriana vahoaka sy mpanao gazety daholo rehefa tompon’andraikitr’izao fahefana misy izao. Miezaka mafy ny tendrony ambony amin’ny fahefana ankehitriny, manatontosa ny fitsidiham-paritany izay hataony. Fampanantenana marobe mahakasika ny fanorenana sy ny fanarenana no natao. Tsy mitsahatra mihitsy ny fanenjehana ny mpitondra teo aloha, ary iniana haparitaka ny hevitra fa sambany sy izy irery ihany no mahay sy mahavita ny fanafodin’ity Madagasikara ity. Tiany ho porofoina amin’ireny fitsidihana ireny fa tsy mitsabaka amin’ny adilahy politika ifamorivoriana ny tenany. Dia izany tokoa? Nanazava sy nanampy toro-marika ny Praiminisitra izay tompon’andraiki t ra voalohany amin’ny filaminana eo anivon’ny firenena iray manontolo, fa tsy maintsy hovitantsika io, ary izay mikasa hanao toetra tsy mendrika sy hanakorontana ity fihaonana ity dia mety tsy ho afa-maina satria efa nasaina hanatrika daholo ny tompo-marika arapolitika eto amintsika. Maneho fihetsika mahate- ho tia moa Ingahy iny, satria dia toa narangarangany fa tsy manam-pahavalo na iza na iza izy. Efa nangata-tsodrano tetsy sy teroa amin’izao andraikitra noraisiny manoloana ny firenena izao, fa toa ny an-tanam-botsotra, ny nalaina tsy azo. Ny tompon’antoka amin’ny filaminana eo anivon’ny faritra moa dia nampitandrina fa fantany tsara ny mikasika an-dRanona, na Ranona amin’ireo mety ho fihetsiny sy ny tetik’adiny ho fanakorontanana. Moa fantatr’ireo tompon’andraikitra niezaka nanazava ireo ve fa misy fijery samy hafa eto amin’ny firenentsika ka mahatonga izao heverin-dry zareo ho fandraisan’andraikitra izao? Aiza ny fitonian-tsain’ireo mpizaika marobe satria dia noantitraterina fa tafiditry ny mpanakorontana any anatin’ny faritra itobian’ireo mpizaika ireo? Tsy misy mi tady loza tsy akory fa maniry ny soa hatrany hifanodiavantsika eto. Fa aza fahanana lainga sy horohorom-pamoretana ny olona rehetra tokony hilaza ny heviny. Raha vita soa aman-tsara izao fihaonana eny Ivato izao ka misy azo ho tanterahina sy azo hamahana ny olana eto amin’ny firenena dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa raha sanatria vomanga natora-kisoa fotsiny dia iza indray no sahy hilaza fa sarotra ny mandainga, ary tsy moramora ny manao zavatra? Samy hafa kosa ny manaotao foana sy tsy mitsinjo ny fananarana, raha ampitahaina amin’ny nanao ny tsy nambinina ka tokony hampiana fa havan’ory. Isika manko toa faly mampanantena fotsiny kanefa ny fotoam-piasana eto ampelan-tanana aza mbola tsy hay mazava hoe hatraiza. Ny lalana izoran-tsika anie ka tsy misy hirika e! Ny vavahady koa anie lasa rindrina e!...