mar.
14
sept.
2010
Tsy azo dinganina fotsiny ny finiavana ananan’ireo rehetra manantontosa ity fihaonana eny Ivato ity. Goavana ny fihetsiketsehana sy ny fikarakarana, ary tsy moramora io fa mila finiavana tena mendrika. Olona mpizaika tsy latsaky ny telo arivo anie no havondrona ao amin’ny toerana iray e! Fa ny mahalasa saina dia izay ny mety ho vokany. Mialangalana ny mpitondra fa tsy mikarakara mivantana ity fihaonana ity kanefa miharihary ihany ny toe-javatra misy. An-tapitrisa ny vola mikoriana ao, ary volam-panjakana no hilazantsika rehetra azy io. Tsy misy tsy nahamarika isika namoriana vahoaka sy mpanao gazety daholo rehefa tompon’andraikitr’izao fahefana misy izao. Miezaka mafy ny tendrony ambony amin’ny fahefana ankehitriny, manantontosa ny fitsidihamparintany. Fampanantenana marobe mahakasika ny fanorenana sy ny fanarenana no natao. Tsy mitsahatra ny fanenjehana ny mpitondra teo aloha, ary iniana aparitaka ny hevitra fa sambany sy izy irery ihany no mahay sy mahavita ny fanafodin’ity Madagasikara ity. Tiany porofoina amin’ireny fitsidihana ireny fa tsy mitsabaka amin’ny adilahy politika ifamorivoriana ny tenany.......
Dia izany tokoa? Nanazava sy nanampy toro-marika ny Praiminisitra fa tsy maintsy vitantsika io, ary izay mikasa hanakorontana ity fihaonana ity dia mety tsy ho afa-maina satria efa nasaina hanatrika daholo ny tompo-marika ara-politika eto amintsika. Maneho fihetsika maha-te-ho tia moa Ingahy iny, satria dia toa narangarangany fa tsy manam-pahavalo na iza na iza izy. Efa nangata-tso-drano tetsy sy teroa amin’izao andraikitra noraisiny manoloana ny firenena izao, fa toa ny an-tanambotsotra, ny nalaina tsy azo. Ny tompon’antoka amin’ny filaminana eo anivon’ny faritra moa dia nampitandrina fa fantany tsara ny mikasika an’i Ranona, na i Ranona amin’ireo mety ho fihetsiny sy ny tetik’adiny ho fanakorontanana. Moa fantatr’ireo tompon’andraikitra niezaka nanazava ireo ve fa misy fijery samihafa eto amin’ny firenentsika ka mahatonga izao heverin-dry zareo ho fandraisan’andraikitra? Aiza ny fitonian-tsain’ireo mpizaika marobe satria dia noantitranterina fa tafiditry ny mpanakorontana any anatin’ny faritra itobian’ireo mpizaika ireo? Tsy misy mitady loza tsy akory fa maniry ny soa hatrany hifanodiavantsika eto. Aza fahanana lainga sy horohorompamoretana ny olona rehetra tokony hilaza ny heviny. Raha vita soa aman-tsara izao fihaonana eny Ivato izao ka misy azo tanterahina sy azo hamahana ny olana eto amin’ny firenena dia arahaba soa, arahaba tsara. Fa raha sanatria vomanga natora-kisoa fotsiny dia iza indray no sahy hilaza fa sarotra ny mandainga, ary tsy moramora ny manao zavatra? Samihafa kosa ny manaonao foana sy tsy mitsinjo ny fananarana, raha ampitahaina amin’ny nanao ny tsy nambinina ka tokony hampiana fa havan’ory. Isika manko toa faly mampanantena fotsiny kanefa ny fotoam-piasana eto ampelan- tanana aza mbola tsy hay mazava hoe hatraiza. Ny lalana izorantsika anie ka tsy misy hirika e! Ny vavahady koa anie lasa rindrina e!... Ony RAMBELO
Mampalahelo ilay Gasy, toloran’ny vazaha Repoblika dia tsy mahalala afatsy repoblika. Hanaovan’ny vazaha lalampanorenana, dia mody mivorivory, dia iny no lasa lalampanorenana avy eo. Izy ihany avy eo
no manongana.
sao mba tsy mampalahelo tson no filaza azy fa mahatezitra sy tsy laitra toroana?
