mar.

14

sept.

2010

Tena manasitrana sa misandoka ?

Feno sekta ny tanana ! Manasitrana, manala devoly, manala ny olana amin’ny fiainana rehetra, ary tena fahagagana no hitao raha mivavaka ato aminay ianao. Io no heno mameno ny tanàna tao ho ao. Inona hoy ianao no antonym? satria te-hisintona ny olona hivavaka ao aminy ireny andiam-pivavahana ireny. Saingy tsy izy rehetra kosa an. D i a h a r a t s i a n a n y finoan’ny hafa, ary ambara fa io fivavahana ataon’ny fiangonana io no mahatonga ny malagasy tsy ho tafarina toy izao. Terena hanao batisa ao aminy ny mpino, ary terena tsy hihinana kisoa.......

Haratsiana hatramin’ny Baiboly hivavahan’ireo kristiana ankehitriny, fa ny azy ihany no marina. Dia tena fahagagana re izao, satria namindra indray hono ny tongotra mandringa, ary nirotsaka ny fahasoavana. Ny tena mampalahelo amin’ny hafitsoky ny fiangonana zandriny sasany, dia ny fanakilasiana ny finoan’ny hafa ho mpiray tetika amin’ny satana. Izany ve no fomba hanjonoana ny olona hivavaka ao amin’ny tena ? Tena mampalahelo, satria tsy izay manonona Azy hoe Tompoko ho Tompoko no hiditra ny fanjakan’ny lanitra. Soa aloha fa tena misy ny fiangonana zandriny mitaona ny olona hibebaka, fa tsy sahala amin’ny ataon’ny hafa. Sa raha tsy izay, tsy azo ilay fanampiana any ivelany sy ny fahafolon-karena ? Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 8

  • #1

    Farany (mardi, 14 septembre 2010 19:36)

    Tsotra ny voalaza ao anaty baiboly, Marka 13 : 21-22 :" Ary amin'izany raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe indro, ety Kristy, na indro ery, aza mino hianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany"

    Ny fifandraisana mivantana amin'Andriamanitra Ray Mpahary sy KRISTY Zanany Lahitokana amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ihany no ahaizanao manavaka ny vary amin'ny tsiparifary.

  • #2

    Bozy (mercredi, 15 septembre 2010 15:33)

    Ka ilay antokom-pivavahana anie ankehitriny lasa ohatran'ny entam-barotra e,
    samy manao izay hahatsara ny PUB ny mba hisarihina olona,

  • #3

    Vony (lundi, 20 septembre 2010 14:20)

    Tano mafy izay anananao...
    Tsy anjarantsika no mitsara hoe ny an'iza no marina, na ny an'iza no diso

  • #4

    Andry (mercredi, 22 septembre 2010)

    MINOA FOTSIN'NY HIANY

  • #5

    tsakks (mardi, 28 septembre 2010 17:19)

    Tsy anjarantsika ny mitsara fa hain Andriamanitra ny zavatra rehetra. Ao anatin ny Baiboly koa tsisy hoe antokom-pinoana zao na izao no mahazo ny fanjakan ny lanitra . Ny finoanao no ahavonjy anao .

  • #6

    Fanihy (dimanche, 03 octobre 2010 21:33)

    Marina mihitsy ny voalazanareo. Aoka samy hahatsiaro tena amin'ireny antokom-pivavahana
    manaratsy ny hafa ireny.

  • #7

    sakaiza (mardi, 02 novembre 2010 09:17)

    tena henjana ity fiainana ity e!

  • #8

    aldira (mercredi, 18 avril 2012 09:11)

    Misy aza ny antokompivavahana jereo ny asandevoly eto antanana! maika fa hofongorinao ny antokompivavahana tsy ho hita maso ny devoly eto madagasikara

    Ianao manoratra io sujet io, dingana hatraiza moa no efa vitanao amin ny fivavahana, efa impiry mba nifady hanina ianao, efa nivavaka ho an ny firenena ve ianao, sa efa nametra-tanana tamin ny marary dia sitrana ireny

    Ny baiboly dia milaza mazava fa hisy karazany ny mpino kristiana amin ny andro farany, misy ny ankasitrahany, misy ny ho aloha ny vavany!!

    Ny tenin ny Sm no entin ny mpitandrina manakiana ny fivavahana na antokompivavahana na antokon olona tsy mifoha, ary tsy misy hanamarinana an izany raha tsy ao amin ny SM ihany!

    Ekena fa misy ny dérive, na fanararaotana saingy ny olona tena mifoha ara-pivavahana dia mhatsinjo avy hatrany ny asian ny tongony, mafimafy kokoa ny hitsaran Antra ny mpitarika noho ny mpino tsotra, tsy anjarantsika ny mitsara azy fa anjaran Atra ihany, tsy manana andin ndalana hanamelohana azy ianao raha amin izao fiainana iza, ny tenin Antra ihany no manamarina na mandiso azy

    Amen

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra