mar.
14
sept.
2010
Fatra-piahiahy lalina ny ankamaroan-dry zareo taranak’i Adama momba io halehibe na hakelin’ny filahiana io. Misy mihitsy ny manao ny ainy tsy ho zavatra mikaroka izao fomba rehetra hoentimanalehibe filahiana izao. Hatreto anefa dia tsy misy ny fomba fandrefesana ny filahiana. Nikaroka hevitra ary ny orinasa iray any ivelany any, mpamokatra fimailo. Namorona izato kapaoty hita amin’ny sary izato. Natao manokana handrefesana filahiana ity fimailo ity, ankoatra ny maha-kapaoty fiarovana ny vohoka tsy niriana azy sy fisorohana ny fifindran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo azy. Ho an’ny mpamorona ity fimailo ity dia nataony ho teny filamatra amin’izao ny hoe “ampifandraisina ny mahasoa sy ny mahafinaritra”. Fitaovana fandrefesana fotsiny ihany ity karazana fimailo ity fa dia ny vady ihany no tena mpandrefy azy ara-boajanahary.......
Rahoviana izany no ho tonga aty Mada, handrefesako ny an'ny vadiko???
tena mis ve ny manalehibe filahiana sa resa be fotsiny
