mar.
14
sept.
2010
Ity ny fanararaotana ! Na dia ireo mpandray anjara amin’ilay fihaonambempirenena avy any amin’ny faritra tonga eto an-drenivohitra aza, dia efa tsy manaiky lembenana ihany koa fa mitaky izay anjarany amin’ny volabe natobaky ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) amin’ny fikarakarana azy io. Nahoana tokoa moa izy ireo no ho diso amin’izay hever iny ho anjarany, satria tsinjony fa misy tsy mikaonty ny lany mihitsy amin’ny fandaniam-bola mahakasika ity raharaha ity. Tsy ferana koa ny tari-drano an-kilahila, amin’ny fitantanana ny 2 miliara Ariary, ka ny mihilika sy very andàlana no betsaka, araka ny ahiahin’ny mpanara-baovao azy avy ety ivelany.........
Nisafo loha mihitsy ary sadaikatra sy velom-panontaniana, ohatra, ilay mpitandrina iray avy ao amin’ny “Ray amandreny mijoro” nanao hoe : “misy mamoaka any amin’ireo mpizaika avy any amin’ny faritany ny tsiambaratelo momba ny fitantanam-bola eo anivon’ireto vondron’olona nanakinana ny fikarakarana ny fihaonambem-pirenena ireto, fa fantatr ’izy ireo hatramin’ny izay tsy tokony nampahalalana azy». Ni s eho mant s y ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo mpikarakara sy ireo vahiny avy any amin’ny faritra « hokarakaraina » tetsy Alarobia (toerana nandraisana ny ampahany tamin’ireto farany) ny sabotsy alina hifoha alahady maraina teo. Tsy manaiky hisakafo ao amin’ny toerana natokana handraisana azy ireo mpizaika avy any amin’ny faritra, na dia efa misy mpanao sakafo (traiteur) nahandro ho azy ireo aza nantsoin’ny mpikarakara hiandraikitra izany. Nitaky ny hanomezana azy ireo « indemnité » 100.000 Ar isan’andro koa izy ireo noho izany, fa tsy nahafa-po azy ireo ny sakafo nomanina. Fa ankoatr’izay dia nitaky Yaourt isan’andro ho tsindrin-tsakafo koa ireto vahiny nampiantranoana ireto no sady nanambara ihany koa fa tsy ampy azy ireo ny 1.500 Ar isan’andro atao sakafo maraina fa goûter- njazakely hono izany. Izay ny teo amin’ny lafiny sakafo, fa momba ireo toerana natoka handraisana azy ireo eto an-drenivohitra indray, dia nizizo ny hivangongo ao amin’ny ANS Ampefiloha ny ankamaroany fa tsy mety hipetraka any Ivato sy Alarobia, satria eny hono mba mahazo toerana afovoan-tanàna. Dia hanao ahoana ary no hiafaran’io fihaonambem- pirenena tsy handraisan’ny ankolafy telo anjara io ? Mety ohatrinona ihany koa no hotakian’ny sasany ho tambin-karama omena azy ireo isam-batana, vao hanangan-tànana handray izay « fanapahan-kevitra tian’ny mpanomana azy hivoaka » amin’ny fotoampamaranana ireto mpandray anjara miisa manodidina ny 2000 na 3000 eo ho eo ireto Efa fihaonambe impiry tokoa moa izay vita izay ary efa firy miliara ariary izay ny vola natao fafy katrana tamin’ireny kanefa mbola tsy voavaha ihany ny krizy ? Toa tsy hiady hevitra ny fahitana ny mpizaika eny Ivato ireto, fa hiady an-kanina, sa aleo mba hihinana, fa efa ho lany ihany ny paiso an-kady ? Tangena
TENA MAPME FA TSY HITA FA IZANY NO FAFINARETANDRY ZALAHY E, NY VAHOAKA MINANA NY FAKONY
Tsy mahagaga satria efa niova ho fitiavan-tena ilay fihavanana Malagasy.
Asa izay ataon'ireo pasitera ao @ ray aman-dreny mijoro ireo. Mbola mahatana ny andraikitra nankinina aminy @ maha MPITANDRINA azy ve izy ireo.
Na tsy ho tsaraina ety an-tany aza mbola hisy ny fitsarana farany.
Efa voalaza ao anaty baiboly ange hoe : any amparany any ny olona ho tia vola, ho tia tena ...Ary io pasitera ao amin'io ray amandreny mijoro io no efa nitoriteny tao ampiangonana ny amin'izany.
