sam.

11

sept.

2010

Very hevitra

“Raha mijanona eto aho, hampitombo isa ireo efa lavo ! ka very hevitra aho, Ray ô! Mba henoy ny vavakay”. Asa raha samy nivetsovetso izany angamba ireto nihaona mangingina? Nolazaina ho mangingina kanefa fanta-bahoaka ihany hoe tany Ivandry tany teo ambany fiadidian’Ingahy Pasitera. Samy tsy te-hijanona eo amin’ny toerana misy azy anie e! Samy tehanao dingana ho firosoana ho any amin’ny tonitony kokoa? Fa misy antony lehibe ao manakana ny tsy hisian’ny vaha-olana marina. Vao niainga ity tetezamita ity dia nitetika ny hanao hevitra savoan-danitra sy saro-takarina. Be ny fihetsiketsehany tsy mifanaraka amin’ny “normale”. Kanefa izany “tsy normale” izany no tetehiny havadika amin’ny “tery kiho am-pandriana” mba hanompoana sy hanekena ny heviny. Tereny ho antsoina hoe:”mpanohitra“ ireo rehetra tsy mitovy fijery aminy. Ny tena fototry ny gidra anefa dia tsy nahazo tso-drano tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny malagasy izao hevitra entiny izao ka “latsa-bato an-tanana ry zareo” Maika ny fitondrana amin’izao tetezamita izao hikaroka izay heveriny ho fankatoavana iraisam-pirenena. Mody tsy resahana mihitsy io fahadodonana eo aminy io, fa averimberiny hatrany fa tsy ilaina ny sehatra iraisam-pirenena rehefa mifanaraka isika mianakavy......

Tsy misy “marika” azony hitampikirana mihitsy, satria na amin’ny lafiny lalàna, na fikorian-kevitra ankapobeny, na ny fisehon’ny zava-misy dia mirona any amin’ny hevitra iray ihany fa tapitra ny lalan’ilay “tetezamita noteren-ko masaka”. Noezahana navondrona ny mpanao politika mpitaritarika mba hanao fifanarahana hihazonana izao fahefana izao, kanefa nandamoaka ny tetika amin’ny ankapobeny. Niezaka nanao pi-maso amin’ny daholobe fa misy fahafahana eto satria “navotsotra” ireo nanentana ny olom-pirenena hikomy. Ampiasaina ny ray aman-dreny mijoro mba hikarakara fihaonana lehibe hamondronana ny hery rehetra kanefa ety am-piandohana dia tsinjo sahady ny hakiviana sy ny mety tsy ho fahombiazany. Dia asa izay ho tohiny fa hisaritaka ity Madagasikara ity raha tsy mandinika tsara isika mianakavy. Hisaritaka satria mpitondra tsy hahafehy ny fahefana ananany no mitonona ho mpitondra antsika. Tsy misy ny fikorianan-kevitra hita mivandravandra noho ny “horohoro” iainana an-davan’andro. Tsy misy ny fihainoana ny tena fototry ny olana. Tsy misy ny vaha-olana maharitra sy tena hahitam-bokany. Very hevitra e! Tsy manana halahatra intsony, tsy mahatanty ady hevitra intsony, tsy sahy hidrikina koa hoe: mamim-bahoaka. Tsy mahavita mampitambatra ny vahoaka fa vao mainka mampitriatra ny ny efa mihozohozo. Ireny sonian’ny mpanao politika ireny sisa no hifikirana mafy, kanefa hatraiza no faharetan’izany? Manafika ny firenentsika ny fahantrana, ny korontana aratsosialy, ny halafon’ny vidim-piainana, ny andiam-balala, ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Be dia be! Dia ho variana hijery ny faharavana efa hita taratra ve? Hihenahena hijery ady tsy hitondra vokatsoa? Raha very hevitra ny mpanao politikantsika dia tsy midika ho fiafaràn’i Madagasikara tsy akory izany, sa fara-faty izy ity ka hitomaniana am-piakarana? Sa koa hoe ho faty an-kazo tokana ny Gasy? Ny tanala, hono, raha very sampy dia manova izy! Ary raha indray mandeha no manta vary, misy dikany inona ny handevenana sotrobe? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra