sam.

11

sept.

2010

Mampangotsoka eo am-pisakafoana

Fantatrao ve fa azonao hararaotina tsara hisaritsarihana ny vadinao ny fotoana fisakafoana ? Mety ho tsia ny valiny, nefa tsy nofinofy izany fa azo atao ! Ireto ny lalana mitondra anao ho amin’izany, hampangotsoka azy mandritra ny fotoana iarahanareo misakafo. Voalohany aloha di a aza manao be am-bosika. Tsingitsinginina mba atao kely fatra ny sakafo aiditra any am-bava satria arakaraka ny maha-kely ny zavatra atsofoka ao am-bava no mahatery ny fisokafan’ny molotra, mahasaritsarika azy........

Ataovy mitsipalotra eny aminy matetika ihany koa ny masonao, toy ireny milaza aminy ireny hoe te hihinana sy hitelina na hanaikitra azy ianao. Mihinana miadana fa aza maimaika rehefa misakafo. Atelemo moramora ny sakafo sady itsikitsikio matetika izy. Toy ny firaisana ara-nofo ihany io, arakaraka ny mampaharitra azy no maha-tsara azy. Fahano izy eny anelanelany eny. Ny sakafo ao am-bilianao no tsara hamahananao azy. Tsy handa velively izy raha atohokao manakaiky ny molony eo ny sakafo. Araraoty banjinina maharitra ao anaty masony izy amin’iny. Aza adino ihany koa ny mametraka lambakely famaohana vava eo akaikinao eo. Tsy tsara jerena ireny misolitika kely amin’ny molotra ireny rehefa misakafo. Azonao amafana ny molony ihany koa izany. Fadio araka izay azo atao ny mamoaka feo eo am-pisakafoana. Akombony tsara ny vava fa aza mitsamintsamina mafy loatra rehefa mitsako. Toy ny teo aloha ihany dia mihinana miadana. Misy milaza fa tsy fahalalam- pomba ny mandray sakafo amin’ny tanana, nefa azonao atao tsara izany amin’ity indray mitoraka ity. Avoahy amin’iny ny tena maha-vehivavy anao, eo no filalaovanao azy. Miam miam. Voasarika kosa angamba izy izay. Tsy tokony hisy lehilahy hahatazona tsy hangotsoka amin’ireo fihetsika ireo. Koa dia mazotoa homana amin’ny tohiny !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra