sam.

11

sept.

2010

Finoana: Mipongatra ireo mpitory teny

Zavatra roa no nambaran’ny manam-pahaizana mpikaroka vahiny iray ho marika, hahafahana milaza fa mihamahantra ny firenena iray dia ny fitomboan’ny mpitory teny isan-karazany na ny sekta, sy ny hamaroan’ireo mpivarotra na fivarotana amoron-dalana. Moa va tsy efa tanteraka eto amintsika izany ? Isao ireo olona na fianakaviana lasa mivarotra amorondalana. Tsy tambo isaina intsony izany ary tsy an-kifidy toerana fa raha vao misy malalaka kely manamorona ny arabe dia efa misy gony kely na tsihy kely mivelatra na talatalana kely mijoro. Raha atao indray mitopy maso anefa dia zara raha mahatratra iray alina ariary akory ny mason-karenan’ireo entana amidin’izy ireo.......

Fa ny tena manaitra ny saina sy mahavalalanina ny maso dia ny hamaroan’ireo pasitera na olon’Andriamanitra, izay tsy hay fihaviana sy tsy fantatra mazava na voatendrin’Andriamanitra marina fa samy milaza ho mahafaka sy mahasitrana ary mamaha olana. Fotoanany tokoa izao. Zovy no tsy mila ny famonjen’ilay Nahary amin’izao krizy lavareny izay tsy hisy fahataperany izao? Tsy misy afa-tsy ny fitolomana am-bavaka ihany no hany sisa vahaolana, fa izay vitan’olombelona toa zary ho nofinofy sisa. Fara-fahakeliny, miisa telo eo ho eo ireo fandaharampotoana ankalamanjana hitoriana teny sy hanasitranana olona. Rehefa tonga ny andro ifamotoanana dia indreny mitanjozotra manao tohivakana lavareny ireo mpino sy ireo olona voasarika hanaraka izany. Tsy misy maharatsy izany, satria ny Tompo, i Jesoa Kristy, dia ni-tsodrano hoe : mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra. Hatrany Samaria, Jodia ary hatramin’ny faran’ny tany”. Fa ny indro kely aminy fotsiny dia ny fifanaratsiana. Samy miseho ho dadany avokoa ka mahavita ny rehetra amin’ny alalan’i Kristy, ary manaratsy ny sasany. Soa fa efa nanafatra mialoha ny Tompo hoe : “tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy amin’ny anarako”. Mivavaha, kanefa mitandrema koa sao dia ho voafitaka marina hianareo, ka holavin’ny Tompo amin’ny andro farany.

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    paul (vendredi, 24 septembre 2010 07:23)

    orin'asa sahala @ ny rehetra ihany io .

  • #2

    sakaiza (mardi, 02 novembre 2010 09:21)

    Henjana ity fiainana ity e!

  • #3

    z (mercredi, 18 avril 2012 09:22)

    inona ary no tianao e? aleo reny no betsaka sa ny mpanao ratsy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra