mer.
08
sept.
2010
Feno hipoka ny lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alin’ny talata ka hatramin’ny alarobia tolakandro. Tonga marobe ny olona nahitana sokajy maro toy ny solontenan’ny mpitondra fanjakana, mpanakanto marobe, mpikarakara lanonana, mpitendry, mpandihy ary olon-tsotra marobe izay mpankafy ny tarika Mahaleo, indrindra indrindra ny fianakavian’izy fito mirahalahy mpikambana. Nanome voninahitra farany an’ilay kintana iray eo anivon’ny tarika Mahaleo, dia Raoul na ny dokotera Raolosolosolofo Razafindranto izay nodimandry tany Toamasina ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-dalana tamin’ny famangiana ny fianakaviana ny hira maro an’ity mpamorona eo anivon’ny Mahaleo ity toy ny « Raha tsy ho eo intsony », « Raha mila fanampiana », « Fihavanana », « Somambisamby »…Ny tarika Mahaleo no nitarika izany hira sy kalo izany. Na dia samy vonton’alahelo aza ry Dama, Fafah, Dadah, Nônô, Charles ary Bekoto dia vita hatramin’ny farany ihany ireo hira ireo.......
Fa ny tena nampirotsaka ny ranomaso dia ny fiarahamiredon’ireo mpanakanto an’ilay hiran’ny tarika Solika hoe : « Mifankatiava ihany » sy ny fikaloan’ireo mpanakanto ny hiran’ny tarika Mahaleo. Nisy lampihazo sy fanamafisam- peo rahateo tao amin’ny lapan’ny kolontsaina ka toy ny nijery fampisehoana ny fiaretan-tory. Fotoana ihany koa io namangian’ny rehetra ny fianakaviana. Nanomboka tamin’ny tarika Mahaleo izany, satria sady tompompahoriana izy ireo no mpamangy ihany koa sady izany ihany koa no tsiambaratelo nampateza ny tarika hatrizay. Nondimbiasan’ireo mpitondra teo anivon’ny fahefana avon’ny tetezamita izany, izay nahitana ireo minisitra maromaro, toy ny minisitry ny raharam-bahiny ny minisitry ny filaminana anatiny ary ireo mpikambana avy eo anivon’ny FAT. Siotsioka sy horakoraka ary taim-bava no nitsenan’ny olona azy ireo. Niezaka nampitony ihany ireo mpanentana, saingy tsy nohenoin’ny olona izany. I Dama mihitsy no nitsangana ka niteny hoe : “Fanaovambeloma an-dRaoul no hatao eto ka aoka ariana ny lonilony sy ny tsy fifanarahana”, izay vao nangina kely ny olona. Vao mainka nitombo ny horakoraka sy siotsioka raha vao niditra ny efi-tranon’ny lapan’ny kolontsaina Ingahy Alain Ramaroson io alina io ary tsy nijanona mihitsy izany mandra-pivoakany. Nitohy ihany anefa ny fanomezam-boninahitra mandra-maraina. Ny maraina dia notolorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l ’Or - dre National » sy « Grand Chancellier » i Raoul nialoha ny niaingan’ny fiarakodia nitondra ny nofo mangatsiakany nihazo an’Antsirabe. Mbola andrasana eo anoloan’ny garan’Antsirabe izy anio vao hihazo an’Ambatofinandrahana izay misy ny fasan-drazana hametrahana azy. Fiarakodia maro no nitanjozotra nanatitra azy hatrany hatrany, toy ny nisy hatrany am-piaingana tany Toamasina sy ireo nitsena azy hatreny Ambohimangakely ny talata tolakandro lasa teo. Ny Media Consulting izay mpikarakara ny tarika Mahaleo hatramin’ny taona 2005 no nandray an-tanana ny fikarakarana rehetra. Lasana tokoa Raoul , henin-kaja sy heniky ny voninahitra. Mandria am-piadanana Raoul. Zaka Fils
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavina rehetra. Mandria am-piadanana Raoul.
Ho an'ny FAT: tokony ho tsapanareo ny tsy fitiavan'ny olona anareo
Isaorana i Raoul sy ny tarika MAHALEO rehetra nampanofinofy antsika hatramin'izay. Ary samy mino isika fa izao setrasetra ataon'ny FAT izao dia tsy maintsy hanampetra fa aleo hanao ihany.
andian'olona vitsivitsy nanakorontana fotsiny kay le tao hono fa tsy bedebe.Voakaraman'i anona hisioka sy hioraka fotsiny.Eiiiy, reny anga zany "vahoaka" zany e.
Mbola ato an-tsaina mandrakariva ny hiran'i RAOUL! Tsy hay kosehina ireny satria nanamarika ny fahatanoran'ny tena! Mandria am-piadanana Raoul!
Fanontaniana ho an'i popolita > "hono" ve ilay izy sa ianao mihitsy no nahita tao e? Misaotra tompoko!
