mer.

08

sept.

2010

Vehivavy mahatonga: Hita amin’ny famindrany

Samy manana ny fihetsiny ny vehivavy rehefa hetsaka, na mahatonga, na ihany koa mi-“jouir”. Misy ny mikiakiaka, ao ny miantsoantso, ao indray kosa ny tsy miloabava … Araka ny fikarohana nataon’ny Université de Louvain-la-Neuve dia azo fantarina amin’ny fomba famindran’ilay vehivavy ny mety ho fihetsika ataony rehefa mahatonga mandritra ny firaisana ara-nofo, sy ny fomba ahatongavany amin’izany. Fomba roa ihany koa no maha-hetsaka amin’ny ankapobeny, dia ny « vaginale » na ny avy amin’ny fikitihana ny fivaviana sy ny « clitoridienne » izay avy amin’ny fikitihana ny « clitoris » sy ny « point G »......

Nasaina nandeha tsy nikiraro tamina lalana mikintoantoana ny vehivavy vitsivitsy nanaovana ity fikarohana ity. Nasaina nanonofinofy tao an-dohany hoe miara-dalana amina lehilahy tsara tarehy sy tsara bika ihany koa izy ireo. Noraketina an-tsary avokoa ny fihetsika rehetra teo ary natolotra manam-pahaizana manokana momba ny fananahana. Hita tamin’izany fa saika « vaginale » avokoa ny 82%-n’ny vehivavy. Ny famindra malefaka arahana fidoladolan’ny fitombenana, mifangaro amin’ny vikina lava izay mampifanindran- dalana ny tanana sy ny tongotra dia midika ho « orgasme vaginal » avokoa. Izany hoe kitihina amin’ny fivaviana fotsiny dia efa mahatonga ilay vehivavy. Miankina amin’ny traikefan’ny tsirairay ihany kosa anefa izany, fa tsy voatery hitombina. Toy ny fikarohana rehetra ihany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra