mer.

08

sept.

2010

Pasitera Mailhol: Omeo ny miaramila ny fitondrana

Hifototra amin’ny mpitondra tetezamita ny andraikitra mampihitsoka ny firenena raha mbola ilaozany milalao manalava ny fotoana hipetrahany eo. Io no nambaran’i Pasitera Mailhol manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy tokony hankinina amin’ireo mpanao politika sy ny karazany ireo intsony ny raharaha fa tokony ho afa-nenina. Aleo averina any amin’ny miaramila ny fitondrana, hoy izy, ka ireo no mikaroka ny olona tsy momba ny atsy na ny aroa, hikarakara fifidianana......

Efa nanambara ny filohan’ny tetezamita fa misy ny vola hanatanterahana fifidianana. Efa notenenin’i Pasitera Mailhol tokoa io tamin’ny taona 2009, saingy izao angamba vao mety ho tanteraka. Fanehoan-kevitra nataon’ity pasitera ity io, ary mahatsapa izy, fa tsy mahay mihaino ity FAT ity. Saika ireo zava-boalazan’ity mpitondra fivavahana ity hatrany no miseho, raha averina hatrany amin’ny niandohan’ny krizy ny tantara. Nohamafisiny moa fa rehefa tsy hanaraka ireo voalaza izy dia mbola eto ihany aloha isika sy ny krizy lavareny. Dia mitombina ihany ahiahin’ny maro amin’ny hoe te hanalava ny fitoerany eon y mpitondra tetezamita. HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 6

  • #1

    narwik (vendredi, 10 septembre 2010 23:19)

    Pasitera miteniteny foana !

    Mbay tany fa tsy lasa lavitra ny hevitrao ê !

  • #2

    narwik (vendredi, 10 septembre 2010 23:24)

    Miaramila iza hono ity lazainy ???

    Miaramilan'i ra-domelina ???

    Mba misaina ry pasitera â !

    Tsy misy afa-tsy ny Maputo ihany ny ala-olana!

  • #3

    zanaky Ra Valo (samedi, 11 septembre 2010 07:47)

    Dada valo ihany ny ady eo.

  • #4

    Momo (mercredi, 22 septembre 2010 23:11)

    Dia tsy mahalala menatra akory ilay pasitera fôsika efa nisara-bady in-telo ity kle. Sady tokony ho fantany tsara fa tsy misy mihaino lelika maty io
    Vive Ravalo.

  • #5

    dodo (lundi, 04 octobre 2010 11:50)

    pasitera mpandainga ts milay

  • #6

    tsakks (vendredi, 15 octobre 2010 18:44)

    Tena afa-baraka ilay anarana masina hoe " Pasitera" kle . Ka tsy ilay hoe Fitondrana miaramila saika hajoro ihany ve no niteraka ilay korontana be tamin ny voalohany reny e ! . Andeh fahano ny ondrinao pasitera fa noana a!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra