mer.
08
sept.
2010
Vahotra ny lela, mangidy ny rora, tsy hita izay voambolana ilazàna ny fahabangana. Tsy izy akory no malagasy voalohany nalaza nohetraketrahan’ny FAHAFATESANA ka hahatonga inona sy hanova inona amin’ny fomba fanaontsika eto, tsy izy ilay nirehareha, tsy izy ilay nitady voninahitra. Fa MATY izy, ka tsy maintsy MISAONA ISIKA. Ny basy tsy mipoaka dia dindon’ny fisiany, ary izy no anisan’ny namporisika tamin’ny fomba fanoratra teto. « Rehefa tsy vitanay ny chanson à texte, dia ataovy texte au chanson leitsy zandry a ! Aza miforitra, tifiro kanefa aza vonoina fa namana mbola ilaina ny mpanao politika ». Izay ilay hery tany aminy, koa tsy maintsy hisaona isika. Ny somambisambin’ny takariva tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha no nahatonga ny embona ka tsy maintsy hiverinany aty an-tanindrazana, ary nampanantenainy fa hirongo vinany izy. Sao dia ataon’ialahy hoe: mpihanika hazo leitsy aho ? Tsia leitsy!......
Mpamboly voninkazo leitsy aho, ary any ambanivohitra any no misy ny tanànanay. Ekena re fa mazana ianareo ka afaka mirehareha fa ny rivotra tokoa ve no mitondra tadidio? Isika dia tsy maintsy hiaina anaty trano fatim-bý, satria hay izao vao tsapanao tokoa fa mafy ny fiainana? Rehefa tsy eo intsony i Dada sy Neny ka tsy misy ny hatokona, dia ny totohondry sisa no havonkina. Mihodinkodina leitsy ity tanintsika, ka tandremo sao mikodia fa izy anie ka be klé satria resabe avokoa ny tabataban- dry zalahy mody hanao soa kanefa hitsentsitra an’ialahy. Ny azy mantsy ny sakaosy efa feno devizy. Efa tara loatra angamba vao hisaina? Efa tery avokoa ny lalan-kaleha? Ny fiainana efa voa ka aleo mandeha! Vonjeo re fa efa lany vatsy... Aza omena tsiny fa tsy mba niriany ny ho ety an-tany, ka hitomany. Rahampitso anie mbola ho vovoka ihany. Mitovy saranga, mitovy anjara fa nihinana voankazo voarara…Ny ala-olana dia betsaka, avelao any ny resaka fa io tsy mety ho lany. Raiso ary ny andraikitra fa efa mafy ity ny kaikitra. Aleo àry hiara-dia, hikarakara ity tanintsika ity. Mbola hisaona hatrany isika, ary tsy ho afaka ny alahelo sy ny toloko raha tsy ho tafitantsika ilay hafatry ny Zokibe, izay efa nilaza fa “raha tsy ho eto intsony aho fa lasa vetivety, lasa mba hitety iny habakabaka iny”. Tsy hitsahatra isika! Satria tsaroana hatrany ny hoe: Asio siramamy, mba ho lasa mamimamy. Izy tokoa ilay sahy niresaka politika kokoa tamin’ny hirany ka niangavy mafy izy tamin’izao gidragidra politikantsika mianakavy izao hoe: MBA VOHAY NY VAVAHADY, aoka izay ny mifampitady, hatsaharo ny adiady. Asa moa raha hatraiza ny hiantefàn’ny hafatra fa tompon’antoka amin’ny ady iniana hitranga isika, raha vao manao tsinotsinona ny olona rehetra mandray sy vonona hijoro mba hitady io vaha-olana io. Tsy hampiova inona ny alahelo sy fisaonana fa ny HIRANY, ny fihetsiny, ny fahatsorany no ndeha mba hitafiana. Mandria am-piadanana Zokibe fa mbola hanohy ny lalanao i Zandry. Ony RAMBELO