mer.
08
sept.
2010
Tsy milamina ny tany, tsy misy fandriampahalemana, mandry tsy lavo loha ny mponina, na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Marisarisa ny fiaraha-monina, mifampiandriandry fotsiny no ataontsika eto fa tsy misy sahy tena milaza ny fahamarinana mbola ho karohina sy hifampidinihina etsy sy eroa. Tsy mety intsony ny dikan’ny hoe “marimaritra iraisana”. Tsy mety ny tsy mangatsika na tsy mafana. Hafahafa toy ilay nitsako savony ny fisehoan-javatra ankehitriny. Omaly dia andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Hatao inona anefa izany? Very hasina ny fahaizana amam-pahalalàna fa ny sandry sy ny didiko fe lehibe no manjaka, ka toa mandeha ho azy io tsy fandriampahalemana io. Tsy misy fifampifehezana ifanarahana sy tena mazava. Tsy hisy sahy hilaza mihitsy ve fa naman’ny tsy misy azo antenaina intsony amin’ny mpihazona fahefana tsy nahavita niaro ny vahoakany amin’ny asan-jiolahy nandritra izay fotoana lavabe izay? Tsy nahita vaha-olana amin’ny fifandrohitan’ny samy malagasy tsy mitovy hevitra, tsy mahavita mampihavana fa te-hamotika ny fahavalony ara-politika fotsiny, tsy ampy hery handaminana ny olana ara-tsosialin’ny mponina, tsy misy ny “aro riaka” hifanampiana amin’ny fanabeazana na dia efa antomotra aza ny fidiran’ny mpianatra, tsy manana tetik’asa hiatrehana ny fotoam-pahavaratra ho avy.......
Mbola mety ve ny hametraka fitokisana amin’ireo milaza fa miaro ny tolom-bahoaka izay nitaky ny fahafahana sy ny mangarahara amin’ny fandraharahàna sy fiharian-karena? Kanefa izy hanitatra ny fonja hihazonana ny tsy mitovy fijery aminy? manenjika sy manafay ny mpandraharaha teratany mikiry mampiasa vola sy mitady ny fampihodinana ny orinasany mandritra ny fotoana tsy hahitàna afa-tsy fatiantoka ? Tsy hisy mihitsy ve sahy hilaza fa na ho zaraina amin’ny isam-batan’olona aza ny fahefana sy ny fitantanandraharaham- panjakàna, dia tsy hisy mihitsy ny fahatoniana sy ny filaminana raha mbola tsy hijery afa-tsy ny tombotsoan’ny tenany ny ankamaroantsika? Midika inona ny famaritana fa hisy ny fivoriana hahafahan’ny rehetra miteny sy mitabataba, kanefa ny aterak’izany dia fampijoroana sy fanamafisana hevitr’olontokana fotsiny? Tsy hisy ve sahy hilaza fa “lany bala” tanteraka izao fahefana misy izao, kanefa manao kiry biby tsy maintsy arahina amin’ny nahim-pony fotsiny? Tsy hisy sahy hiteny fa lasa “fihavanan-jiolahy” fotsiny ny fifanaovan-tsonia ataon’ny mpanao politika etsy sy eroa? Dia efa tsy te-hivaky loha tanteraka izay hinia hikimpy amin’izany. Tena mafy toto izay tsy hivarahontsana amin’ny loza mitatao eto. Hilentika tanteraka i Madagasikara, ary atao fanahy iniana ny hilentehany noho ny fiarovana ny “tombony “ efa ananan’ireo mpanao politikantsika. Tsy misy te-hiaina fahalovana eto, kanefa miha-marina hatrany fa raha tiana ny haharitra eo amin’ny fitondrana dia ezahina tsy hanana fahalalana sy fahaizana ny olom-pirenena, ezahana izy hiaina ao anaty fahantrana lalina mba tsy hijereny afa-tsy ny olany andavan’andro. Dia andrasantsika hampitaintainana izay mbola hitohizan’ny hadalàna ataontsika mianakavy. Katsaka anaty lapoaly? Izay tsy mahatanty mipitika e! Ony RAMBELO