mer.
08
sept.
2010
Tsy olona hitarika korontana aho, fa hiantso an’Andriamanitra. Io no fikasan’i maître Avoko atao rahampitso manomboka amin’ny 12 atoandro, ka hiantsoany ny olona rehetra tsy ankanavaka hitsoka anjomara na kiririoka na klaxon fiara mandritra ny 5 minitra. Miely ny feo, fa hitarika olona be sandry hanakorontana eny an-dalambe ny tenany amin’io rahampitso zoma io, ary mikasa hampisy ra mandriaka eto amin’ny tanàna. Izay toe-tsaina zatra mampiely tsaho izay no esorina, fa raha tsy izany tsy ho tanteraka eto ny sitrapon’Andriamanitra. Hibebaka isika, ary ilay hazavana ao anatintsika no haseho, fa tsy avela ho ao am-piangonana foana......
Efa nisy ny dinika natao tamin’ny fiangonana maro samihafa amin’io rahampitso io, araka ny nambaran’i Maître Avoko, ary isan’io ny FFKM . Naharitra 90 minitra ny dinika nataony tamin’ireo ray aman-dreny am-panahy ireo, ary voadinika tao ny momba ny raharaha kung fu sy ny raharaham-pirenena, ary ilay hetsika rahampitso. Nofaranana tamin’ny fotoam-bavaka ny dinika. Isan’ny hitondra am-bavaka izao hetsika izao ihany koa ny fiangonana Apokalipsy tarihan’i Pasitera Mailhol, ary efa vonona ny mino maro be hanohana izao hetsika izao. Vavaka ho an’ny tanindrazana no atao, fa tsy hanakorontana. Be ny vahoaka no nisalasala tamin’ny voalohany, satria sao dia mety hitarika azy any am-ponja indray ity hetsika ity, saingy rehefa nohazavaina taminy, fa hitondrana am-bavaka ho an’ny tanindrazana ity atao rahampitso ity, dia vonona izy ireny. Dia ho hita eo ny fahavononan’ny malagasy hivavaka amin’io rahampitso io, fa efa mba maro ihany izay milaza hivavaka ho an’ny firenena izay, ary samy nanana ny mpanara-dia azy izy ireo tamin’izany. Vainafo zanany
Tena tsara Avoko a.Jesosy kristy anie homba anao.
mety io hetsika io fa mankahery an'i maitre avoko
Meteza isika handinika ny marina.
