mer.

08

sept.

2010

Fiarahan’ny mpivady: Foza tsy orana

Raha vao hoe resaka “positions” amin’ny firaisana ara-nofo dia ny “kama-sutra” avy hatrany no mby ao antsain’ny maro, izany hoe, manao izao karazana fihetsika miholakolaka rehetra izao. Mety ho diso fihevitra anefa isika satria mora atao ihany ny ankamaroany amin’izy ireny. Mila manova fihetsika tokoa ny mpivady amin’io fiainana ara-pananahana io, mba tsy ho dridran-gilo ka hitarika ho any amin’ny fahalainana matetika. Mila mifanaraka tsara kosa anefa ny mpivady ny amin’izay “position” atao......

Maro karazany ny fihetsehana azo andramana momba izany. Anisany ohatra ny antsoina hoe “femme d’Indra”, izay miompana amin’ny fanokafana araka izay tratra ny fivaviana. Azo ampifandimbiasina amin’ny fanao mahazatra ihany koa izy ity, satria karazana fanokafam-bavony ihany no heviny. Momba ny f ihet s ik a somary miolana indray dia azo andramana ny fomban’ny foza. Ho an’ireo manana traikefa dia tena mitondra fahafinaretana izy ity. Teritery ny lalana fa tsy miverina toy ny foza orana. Mifanery tsara, araka izay tratra mantsy ny vatan’ny lehilahy sy ny vehivavy mampihatra ny fomban’ny foza. Miampita kokoa ny tambitamby sy ny fitiavana ary afaka mifampibanjina anaty maso izy mivady. Arakaraky ny hanandramana fihetsika isan’andro no hahitana traikefa hafa mikasika ny fiainana arapananahan’ny mpivady. Mampiroborobo azy ny fiarahana mitrandraka ary mety hahaforona “kama-sutra” hafa indray koa izy mivady, tsy voatery haka tahaka ny mahazatra.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra