mar.
07
sept.
2010
« Raha toa ka mbola misy manana eritreritra ny hitondra volavolan-kevitra vaovao mikasika ny lalam-panorenana hitantanana ny repoblika faha efatra amin’ny fotoana izay hanaovana ny fihaonambem-pirenena dia manasa tanana amin’izany ny ato amin’ny CCC satria dia tokony ireo volavolan-kevitra nandalo teo amin’izy ireo tamin’ny volana jiona sy ireo izay natolotra nandritra ny karazana « atelier politique » izay natao teto amin’ny firenena irery ihany no tokony ho dinihina hitantanana ny tetezamita».Izay no vontoatin’ny fampihaonana mpanao gazety izay notanterahin’ireo mpikambana miisa 9 mianadahy avy ao amin’ny CCC io maraina io tetsy Tsimbazaza. Tsy afaka tonga dia hapetraka ny lalam-panorenana izay hitantanana ny tetezamita fa tsy maintsy hoentina eny amin’ny fihaonambem-pirenena, noho izany dia tsy misy afaka tonga dia hanery fa ity no mety na ity, eny fa na dia ny filohan’ny HAT aza no manana volavolan-kevitra.........
Efa vonona tanteraka amin’ny fihatrehana ny fihaonambem-pirenena izay atao tsy ho ela ny ao amin’ny CCC na dia nambaran’izy ireo aza fa mbola tsy fantatra mazava aloha hatreto ny tena anjara andraikiny mandritra izany fihaonambem-pirenena izany. « Vita izay ny dingana voalohany dia ny fihainoana ny feon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo solontenany, ny mpanao politika, sy ankolafin-kery maro teto amin’ny firenena, sns …dia izao no fotoana hirosoana amin’ny dingana faharoa, izay tsy inona akory fa ny fotoana izay hitondrana ireo volavolan-kevitra miisa hatrany amin’ny 300 azo tamin’izany fihaonana izany eny amin’ny fihaonambem-pirenena » hoy Atoa Rakotoarisoa Florent izay filohan’ny CCC. Nanamafy ireto mpikambana ireto fa nisy dia nisy tokoa ny lesoka nandritra iny dinika santatra teo iny ka dia hoezahin’izy ireo ny hampandraisa’andraikitra ny rehetra amin’ity fihaonambem-pirenena ity, mba hahatratrarana ny tanjona. Anisan’ny paik’ady hoentin’izy ireo manao izany ny fizarana dieny ety am-piandohana ireo taratasy mirakitra ireo teknika maro hoentina mampandroso ny dinika, eo ihany koa ny fizarana ny raki-bolana misy pejy 200 eo ho eo, izay mirakitra ireo voambolana maro samihafa mikasika ny lalam-panorenena. Izany no natao hoy ity filohan’ny CCC ity dia mba hahafahana mampahafatatra ireo mpizaika ny votoantin’ireny karazana « therme » maro samy hafa ao amin’ny lalam-panorenana ireny, « tsy vitsy amin’ireo mpizaika no tsy mahafanatatra akory ny tena atao hoe lalam-panorenana ». Mbola misy andraikitra goavana hoy izy ireo miandry azy amin’izao andro mialohan’ny dinika izao, dia ny fampahafantarana ny lalam-panorenana amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana « tsy manentana azy ireo hifidy ny lalam-panorenana akory izahay fa kosa mampahafantatra azy ny ilaina ny lalam-panorenana ». Atoa Rakotoarisoa filohan’ny CCC kosa dia nanindry mafy mikasika ny fomba fiasan’izy ireo fa tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa ny CCC fa mahalo-tena tanteraka. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa nraha toa ka ireo volavolan-dalam-panorenana miisa hatrany amin’ny 300 ireo no ho dinihina any amin’ny fihaonambem-pirenena dia ho lany ny 6 andro hanaovana izany. Dia mankaiza ny fandinihana ny fitantanana ny tetezamita sy ny « Amnistie » ?