sam.
04
sept.
2010
Mbola miharitra ny mafy any am-ponja ireo mpanao gazety sy mpiasan’ny radio Fahazavana hatramin’izao. Mananika ny efa-bolana no nampidirana azy 10 mianadahy eny Antanimora. Na eo aza ny fitakiana eo amin’ny sehatra maro eto an-toerana sy any ivelany, dia mbola ny ngidin’ny fonja no zakain’izy ireo hatramin’izao. Na dia salama vatana azy ireto mpanao gazety ireto, dia rera-tsaina kosa hoy ny fianakaviany. Ny fanampiana arabola nataon’ny FJKM toy ny teo aloha, dia mahalana, ary na ny fitondrana am-bavaka azy ireo aza, dia tsy re firy intsony.........
Na eo aza izany, dia miezaka manao izay ho afany ihany ny fianakavian’izy ireo, saingy tsy maharaka intsony izany, noho ny tsy fisian’ny hoenti-manana amin’izany. Saika raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana mamelona ny ao antokan-trano avokoa mantsy ireto migadra ireto, ka tsy hitan’ny havany izay hivelomana hatramin’ny nampidobohana azy ireo teny am-ponja izay. Tsy kivy kosa anefa ireto namana migadra ireto, fa miandrandra izay fitondran-janahary, satria ambaran’izy ireo, fa misy farany ny zava-drehetra. Vainafo zanany