sam.
04
sept.
2010
Raha araka ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia dia fantatra fa ny ankabetsahan’ny vehivavy dia tsy mieritreritra afa-tsy ny fanomezana fahafaham-po an’izay olona manao firaisana ara-nofo aminy aloha, izany hoe manao izay hahatonga ny an’izay bandy miaraka aminy aloha vao mieritreritra ny hahatonga ny azy. Mifanohitra amin’izay kosa ny an’ny lehilahy. Tsy mba mieritreritra akory afa-tsy ny hahavita izay mahafinaritra azy na tsy mahalala afa-tsy ny hanala izay mavesatra aminy fotsiny ihany.........
Tsy izay anefa no tena tiana ambara amin’ilay hoe firaisana ara-nofo. Mifanohitra tanteraka amin’ny lalan’ny fiarahana mihitsy aza izany. Tsy mahita akory ny tena tsiron’ny firaisana ara-nofo izy ireo. Tsy mahatsapa akory ny tena fahafinaretana amin’izany, dia ilay fahafinaretana hiarahan’ny olon-droa migoka rehefa ao anatin’ny firaisana ara-nofo. Ny manam-pahaizana rehetra ara-psikolojika sy ara-tsiansa dia samy naneho ny heviny avokoa taorian’io fanadihadiana tany Etazonia io. Nitovy avokoa ny hevitra niraisan’izy ireo dia ny hoe : « tsy misy milay afa-tsy ny miara-tonga ». Ingahy Pascale Senk, Psychologues aza dia namehy tao anatin’ny fehezan- teny iray ny tena mety sy tsara atao filamatra rehefa manao firaisana ara-nofo dia ny hoe : « oser donner, savoir recevoir », izany hoe raha adika tsotsotra dia ny hoe mahay manome sy mahay mandray. Raha entina eo anivon’ny firaisana ara-nofo izany dia tsotra ny fanazavana azo atao. Mahaiza mifampiandry rehefa akaiky ho tonga fa ho hitanareo fa tsara tokoa izany miaratonga izany. Tsy misy mahazo tombony manok ana na matiantoka amin’io fa samy miara-mahazo tombony. Maro no mametra-panontaniana mahakasika ny fomba atao mba haha hiara-tonga ny an’ny olon-droa miray aranofo. Vahaolana tokana ihany no natolotr ’ireo manampahaizana manokana dia ny fifampiresahana. Azo atao tsara ange ny mifampiresaka na dia efa samy miboridana ka ao anatin’ny “action” e! Andramo ka izahao fa tsara izany.
Tsy ho tonga amin'io fiarahana mahatonga io mihitsy ny Malagasy satria na ny miresaka fotsiny aza dia tsy hainy. Mahamenatra hono ka aleo handeha amin'izao. Resaka mahasoa dia lazaina fa fahavetavetana. Mila miova toe-tsaina aloha voalohany indrindra, izay vao mianatra miresaka.
Mpivady koa ve de ho menatra iresaka an'zany e?
tsy aleo tsy manao firaisana raha menatra?
aza mba manao zany hoaaa , mampangovitra be rehefa tonga zay ilay zavatra , ary mapalasa gaigy mihintsy a!
