sam.
04
sept.
2010
Nitsefotra araka ny efa nanampoizan’ny maro azy ilay fivoriana lava reny izay natao teny Vontovorona. Efa hatrany am-piandohana mantsy dia efa fantatra fa tsy maintsy hiseho ny olona atsy ho atsy, dia izao tokoa fa tonga. Maro ireo antoko politika izay tsy nanao sonia ilay fifanarahana vaovao, na ny marimarina kokoa tsy vaovao fa ilay teny Ivato ihany no notovanana, ka na ny mpanao sonia za dia ireny ihany ny sasany, nisy kosa ireo nisafidy ny tsy hanao raha tsy mandray anjara ny HPM sy ny ankolafy telo. Eo ihany koa ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena. Roso ny dia hoy ny Raiamandreny mijoro, fa io sisa vahaolana amin’izao krizy izao. Nisavoritaka tao anatin’ny andro vitsivitsy ireto antoko politika izay nohandrahandran’ny filohan’ny FAT fa ondry manaraka azy, ary mankato hatrany ny baikony. Anisany niala ka tsy nanao ilay sonia vaovao mikasika ny fifanarahana teny Vontovorona Ing Alain Andriamiseza, ity farany moa dia efa tsy vao amin’ny mpanara-baovao intsony, satria dia anisan’ny lohandohan’ny mpitarika ao amin’ny ESCOPOL, malaza ihany koa izy amin’ny famadihana palitao, indrindra tao anatin’ity krizy ity (ilay tetsy amin’ny Magro Ankorondrano e!)...........
dia izao indray, nanepoka ka ninia tsy nanao ilay sonia koa ny tenany izay filoha sady mpitarika ny antoko MCDM. Raha ny filazany aloha dia hoe “tsy nisy hafa ny tamin’ilay fanaovan-tsonia teny Ivato, na ny fifanarahana izay voarakitra ao anatiny na ny mpanao sonia. Ny fahazoana ny fankatoavana no hihazakazaha amin’izao hoy izy, ka matoa ny fianakaviambe hiraisam-pirenena mbola nampiantso ny rehetra hifampidinika dia satria mbola tsy ampy ireny mpanao sonia teny Ivato ireny”. Amin’ny lafiny iray aloha misy marina ihany ny teniny, saingy efa niaraha nahita ny zava nisy, indrindra tao aorian’ilay famoahana didy manameloka an’Ing Ravalomanana mikasika ny raharaha 7 Febroary. Misafotofoto be ihany ny raharaha tato ho tao zay, mbetika toa milaza ireo amin’ny ESCOPOL fa efa milamina ny mikasika ny ankolafy telo satria efa miaraka amin-dry zareo ao ny HPM, ny AREMA, ary ny TIM izay tarihin-dRaharinaivo, ka tokony hiroso amin’ny dingana manaraka. Izao ndray anefa dia milaza ireto farany fa ilaina ny fiarahana amin’ny ankolafy telo, satria dia lasa mandeha ila hatrany, ka tsy hahazo fankatoavana mihintsy isika. Raha ny mikasika ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena kosa indray dia dia tena mifanipaka ny hevitry ny CNOSC sy ny Raiamandreny mijoro. Vao nanapakevitry ny namoaka iny didim-pitsarana iny ny tao amin’ny fitsarana dia nihemotra tahak’izay ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny ankolafy telo mikasika ny fifampidinihana teny Vontovorona. Nilaza ireto farany fa tsy nanaja ny fepetra nifanarahana ny tao amin’ny FAT ka noho izany dia tsy afaka ny handray anjara amin’ny dinika eny Vontovorona sy ny fihaonambem-pirenena izay atao ny 13 ka hatramin’ny 18 Septambra izy ireo. Dia toy izany koa ny tao amin’ny CNOSC “tsy azo haroso ny fihaonambem-pirenena raha tsy miverina mifampidinika ny ankolafy sy ny mpanao poliitka rehetra”, na ny daty hanaovana azy aza dia mbola tsy fantatra mazava hoy ihany izy ireo. Ing Alain Andriamiseza koa moa dia nanamafy omaly fa tsy tokony hiroso velively amin’ny fihaonambem-pirenena aloha isika raha tsy milamina ny resaka eo amin’ny mpanao politika isan-tokony (ankolafy telo io). Ny Raiamndreny mijoro anefa io maraina io dia nanizingizina fa tsy maintsy tanterahina amin’ireo daty ireo ny fihaonambem-pirenena, satria efa aloalika ny ranom-bary eto Madagasikara, ka ny fanaovana izany sisa fara hevitra.