sam.

04

sept.

2010

Dada vaovao ?

Anisan’ireo « Tiko boys » iny olona iny. Ry zareo ireny dia olona mpitantana sy mpiasan’ny orin’asan’I Ramose nandritra ny fotoana maro, ary nanaraka ny ravi-patalohany tetsy teroa. Raha ny marina dia tsy nisy sekoly nianarana politika tao amin’io orin’asa io. Resaka fampandrosoana orinasa no nilofosana tao. Fa nentin’ilay mpamorona azy tany amin’ny fitantanana fanjakana iny olona iny, nanomboka tao amin’ny kaominina tao, sy tamin’ilay fikambanana tiako Iarivo. Teny Ambohidratrimo no nahatonga iny olona iny ho solombavam-bahoakan’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ilay antoko politika matanjaka sy nampihaiky volana ny rehetra. Iny olona iny dia tsy nandrenesam-peo loatra nandritra ny naha-teo ilay Ramose lehibeny, ary toa niserana fotsiny aza ny naha-lehiben’ity antoko ity azy. Tsy nahitan- teny koa izy raha nimenomenona sy nitatatata ireo mpikambana any amin’ny fototra rehefa tratran’ilay tenin-ko fe lehibe avy aty an-tampony, raha hirotsaka ho kandidan’io antoko io..........

Fa mety daholo izay nataon’ilay Ramose tamin’izany rehefa variana nianatra tamin’ny politika mangina iny olona iny. Aoka kosa tsy hohadinoina fa anisan’ireo niatrika vavabasy sy ny setrasetra maro teto iny olona iny rehefa tsy hita hitampikirana ilay Ramose lasa any an-tany lavitra. Mbola misy raharaham- pitsarana miandry iny olona iny mandraka ity ny anio, satria izy dia niaro hatrany ny hevitry ny antokony. Hiderana manokana iny olona iny ny fahaizany mihaino ireo tsy mitovy hevitra aminy ka izany indrindra angamba no nahatonga azy ho Filoha vaovaon’ity antoko voahongana ity. Izany fihetsiny izany dia nitarika ny fahatapahan’ny fitokisan’ilay Ramosé-ny, ary tsy iny olona iny akory no voalohany voatsipaka ampahibemaso toy izao. Mahazaka olom-boafidy voahongana marobe iny olona iny amin’izao fotoana izao ary dia mihevitra izy fa mahasolo tena ilay antoko noforonin’ilay Ramose. Raha ny tena hevitry ny taratasin’ilay Ramose dia tokony hanangana antoko vaovao mihitsy iny olona iny, asa moa izay tsy hahatsapany izany fa dia mbola miezaka manazava ihany izy fa tsy mipatitaka ity antoko ity. Raha ny tena marina dia tokony hanjaitra palitao hafa mifanentana aminy iny olona iny fa tsy hamadibadika fotsiny izay efa misy. Tsy izany koa ve no mifanaraka amin’ilay taovolo vaovaony ? Dadan’i Ranto.

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    rasta (samedi, 04 septembre 2010 08:37)

    mitombo isa ny rasta dia faly izahay
    Tsy feno tsara angamba ity text ity sa izaho no vahiny eto Jerosalema?

  • #2

    boboka (mercredi, 22 septembre 2010 15:19)

    raha tafaverina avy any zao le ramose de ahoana hoy io gardien-ny migalabona ao an-tranon-dramose io?Sa se ki va a la sas per sa plas

  • #3

    gasy (vendredi, 24 septembre 2010 03:13)

    ilay ramose aloha dia tsy misy fanantenana hiverina intsony angamba ka aleo hifamaky loha ao izay handimby azy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra