sam.
04
sept.
2010
Rotsirotsiana sy taizaina mba tsy hitroatra ary hanaiky izay rehetra miseho sy tian’ny mpitondra haseho ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny. Ry zareo koa moa malaza amin’ny «ôbarajia, abarajà». Koa ilaina ny fahanginana sao mivadika zavatra hafa eo ny fampisehoana. Ny fomba hampanginana ny bevava dia tambazana zavatra sy fitaovana tsy nananany hatrizay sy nofisiny hatry ny ela. Ireo malefa-pihetsika dia arahana ambokony ny sitra-pony ka alefa tsikelikely ao anatiny ny tambitamby ara-tsaina sy ny fanasana loha. Ho an’ireo vahoaka marobe mitanatana vava tsy mahita izay harapany dia verezindia amin’ny fampanantenana fa hanakaiky sy hanatona azy ireo ny fampandrosoana izay hatao ao anaty fotoana faran’izay fohy indrindra. Moa tsy manontany tena va ianao fa mangataka enimbolana vaovao indray ny mpitondra avo ? Asa iza moa no hangatahany an’izany ? dia iza koa no hanome azy io enim-bolana io ? F’angaha tsy hifarana amin’ny 31 desambra indray? Aza mivaky loha amin’izany fa mandeha amin’izao fotsiny io, ary izay tiany ihany io. Efa mandeha tsikelikely ny asa, ary afa-nenina ny mpihazona ny fahefana. Efa indroa koa izao no nahenoana fa afa-nenina izy. Rehefa tonga ny fahataperan’io “mandat” vaovao azony maimaim-poana io dia inoana fa ho afa-nenina fanintelony izy. Ho an’ny fijery maimaika ireo lazaina ireo fa tsy izany akory no tena anton’ity fampahanginana ity. Aoka izay ny resabe! Aza be menomenona intsony !........
Atsaharo ny ady hevitra! Aleo feo tokana ihany no hanaraka ny “tempô”. Tsotra ny tanjona ahafahana hirosoana amin’ny fitoniana raha ny hevitra miseho lany ankehitriny. Tsy tokony hisy hevitra mifanohitra any anaty kaonferansa nasionaly, tsy tokony hisy olona, na vondron’olona afaka handà ny fijoroan’izao fahefana misy izao intsony mandritra ny fotoana izay tiany, tsy tokony hisy hevitra hampifanditra intsony izay mety ho vokatry ny fifidianana tefy maika hatao mandritra ilay “alarobia tsy miverina” satria efa hampidirina any anaty lapam-panjakana hanao ny asan’ny olom-boafidy ireo “olom-boatendry marobe”. Ny “vahoaka” tompo-marika sy natao ho fitaovana dia homena hôpitaly isam-paritra, kianja filanonana manara-penitra, Ny vola hanatontosana izany dia vokatry ny vidim-bý, ary dia hangina sy hanarak’efa fotsiny ny ministeran’ny fitantanam-bola fa miainga any amin’ny tendrony avo indrindra ny fitantanana izany. Ka inona moa fa miverina izany ny fivangongoana? Ny mandidy dia homana? Satria efa mazava ve fa izy ihany no mahafantatra izay mahatsara sy mampety ity firenena ity. Izy ilay HAHAVITA ny tsy vitan’ny olona? Tsy sarotra akory ny mitondra an’ity Madagasikara ity satria sendra izay “vahoaka” dondrona (*) tsy mahalala izay hahafaty azy, sendra izay manam-pahaizana bemanompo sy fatra-mpanao tompoko tompoko. Tsy mbola malalaka koa angaha moa any am-ponja? Raha te-hihinana tsako sy gagazo dia mitabatabà fa efa tsy fotoan’izany intsony izao. Raha tsy te-hijanona any an-tsesin-tany any, mandritra ny fotoana marobe sy mandra- paha-faty, dia akombony ny vava fa ho reraka sy hahatsiaro tena ho ahiliky ny fiaraha-monina eo. Sa izao fotoana izao no tena maha-marina ilay fiteny mahazatra hoe: “ilaina ny fotoana fahanginana?”Koa aza misy miteniteny àry e fa avelao handeha ny Saretin’ombin’ilay Gasikara. Oadray azafady…hay moa tsy sarety fa TGV no ilay izy? (*) vakio basy tsy mipoaka “Mba refeso hoe izay efa vita” *Nivoaka teto amin’ny Gazety <Basy Vava> laharana 5991 tamin’ny 29 septambra 2OO9 Ony RAMBELO