ven.

03

sept.

2010

Roso ny dia

Rehefa tena tapaka tarangana ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana dia samy nandeha samy naka ho azy ireo antoko politika sy movansa eto amintsika. Samy nizotra ho any amin’izay heveriny fa mety izy rehetra amin’izao fotoana. Ireo mpanao politika am-polony maro mivondrona ao anatin’ny ESCOPOL sy UDR Fanovana ary ireo mankasitraka izao fitondrana izao dia nanohy ny diany hatrany ho any amin’ny fitantanana mandeha ila an’izao tetezamita izao. Tsy miraharaha izay tsy afaka na tsy handray anjara amin’ny fitondrana ny firenena ho any amin’ny repoblika fahefatra fa dia roso hatrany dia ho azy ireo. Eo am-pitsinjarana ireo seza ao anatin’ireo rafitry ny tetezamita izy ireo ankehitriny. Miady hevitra amin’ny ho isan’ireo handrafitra ny filan-kevitra ambony ho an’ny tetezamita (CST) sy ny kongresin’ny tetezamita (CT) ary eo anivon’ny governemanta iraisana izy ireo. Samy efa maminavina sahady izay seza hitoerany mandritra izao tetezamita vaovao izao ireo mpanao politika, ary samy efa mihevitra ny vola ho azony amin’izany. Ho azy ireo dia tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny tetezamita iraisana, araka ny nambaran’izy ireo hankany amin’ny fifidianana hitondra any amin’ny repoblika fahefatra ihany no vahaolana amin’izao krizy izao.........

Etsy ankilany kosa, ireo mpanao politika sy antoko politika mivondrona ao anatin’ny movansa Madagasikara ahitana ny movansa Ravalomanana sy movansa Ratsiraka Didier ary movansa Zafy Albert dia mbola mametraka mazava fa tsy misy afa-tsy ny fiaraha-mitantana arka izay voalaza sy voasoratra ao anatin’ny fifanarahan’ny Maputo sy ny tovan’ny Addis Abeba ihany no hany vahaolana hahatafavoaka antsika amin’izao krizy izao. Milaza ny hanova paikady izy ireo amin’izany ary efa nandrangaranga fa tsy handray anjara amin’izay dinika politika karakarain’ireo mpanao politika hafa. Paikady hafa izay efa misy manely tsaho sahady fa maniry ny hisian’ny korontana sy ady antrano ary ra mandriaka ireo filoha teo aloha ireo. Vaky loha sy mitady tsy hahita izay hatao intsony ireo mpanelanelana vahiny sy malagasy. Toa tsy re sy tsy nandrenesam-peo intsony tato ho ato ny fiombonamben’ny firaisamonim-pirenena na ny CNOSC. Niala maina sy nandao an’i Madagasikara an-tanam-polo tsy nitondra vokatra ihany koa ireo iraky ny mpanelanelana vahiny. Hankaiza re no hiafaran’ity firenena mamintsika ity e ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra