ven.
03
sept.
2010
Veloma ry fitokisana. Tsy isan’ny mpitondra tenin’ny antoko TIM intsony ingahy Raharinaivo Andrianatoandro taor ian’ireny famadiana palitao nataony teny Ivato ireny. Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianiriana no hitondra ny feon’ny TIM araky ny fanampahan-kevitry ny filoha mpanorina azy Ravalomanana Marc. Notsarain’ny karatra izany i Harinaivo Andrianatoandro,........
ary voahiliky tanteraka ao anatin’io antoko nilofosany nandritra ny fanjakan-dRavalomanana izay. Misy ireo mpikambana tsy mba nanabe voho ity antoko ity, hita miaradalana amin’io olona voahilika io, ary efa isan’ny manala tena ao anaty antoko ireny. Ny fitsipim-pifehezana izay tsy maintsy arahin’ny antoko, no efa nolavin’izy ireo, ka isan’ny antony nanilihna azy tsy ho mpitondra tenin’i TIM intsony. Raha nahay nitazona y fotonkeviny avokoa ireo tompomenakelin- dRavalomanana, dia azo antoka fa tsy niongana izy. Be no manambara fa vokatry ny ena miraviravy no tena antony mahatonga ny olona hiova loko isaky ny misy rivotra politika mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Ho gaga ve isika raha izao sisa no hiafaran’ny mpanao politika eto amintsika ?