ven.
03
sept.
2010
5 andro nifandrirariràna teny Vontovorona ireto karazana antoko politika izay miseho ho mahavita azy kanefa dia samy niala maina. Raha ny fahazotoana hanao sonia sy hanao ny fizarana seza aloha dia izy rehetra ireo no voalohany. Tsy misy manaiky ho gisitra e ! samy mba te hitantanana firenena avokoa, na ny antoko efa gaigy lahy amin’ny famitaham- bahoaka, na ny antoko vao miana-mandeha. Ny tsy nampoizin’izy ireo dia ny nandavan’ny filohan’ny tetezamita ilay fizarazarana seza be loatra. Antoko maherin’ny 200 amin’izao no nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato. Raha ny fanamarihan’ireo mpanao politika sasany izay aty ivelan’ny fifampidinihana dia nilaza mazava izy fa ny 20%n’ny mpanao politika izay nanao sonia ihany no antoko efa nisy hatramin’izay ary efa nandray anjara tamina fifidianana maro teto amin’ny firenena toy ny AREMA, AVI, Leader Fanilo, MTS, sns......
Raha ny 80% ambiny kosa dia toa natao hameno toerana sy seza fotsiny ihany fa saika antoko kely vao niorina tato anatin’ity krizy ity avokoa ny ankabetsahany. Asa aloha na noho ny tsy fahamatoran’izy ireo na noho ny fahamaizana diso tafahoatra, fa niala maina koa izy ireo mikasika ireto fizarana seza maro samihafa anisan’izany ny Praiminisitra lefitra izay nangatahan’izy ireo fa asiana Praiminisitra lefitra enina (6) isaky ny faritra teo ihany koa ny hamaroan’ireo handrafitra CST, santionany ireo fa maro be ireo seza izay nangatahan’izy ireo. Tao aorian’ny tsy fahombiazana tao anatin’izay dimy (5) andro izay dia izao sisa, mbetika toa te hiroso ka tsy te hahalala izay hiafarany fa natao ambenti-teny aza ny hoe “na manampy na tsia ny CNOSC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanaovana ny fihaonambempirenena dia hiroso hatrany izy ireo, dia nahazo toky tamin’izany ireto mpanao politika mbola vao mianamandeha ka horakoraka tsy nifankahitana ny tao anaty efitrano. Nidona tamin’ny rindrina anefa amin’izao ny andrin’izy ireo satria dia toa very an-javony teny am-pandehanana indray izany toky sy fanantenana maro be izany, noho ny fitsipahan’ny filohan’ny FAT hatramin’ny farany ity sonia izay nantenain’izy ireo mafy. Dia tena nitsefotra hatramin’ny farany indray izany ity resaka Vontovorona ity. Ny fotoana anefa mandeha ihany, ny famahana ny krizy mitarazoka aok’izany. Tsiahivina aminao mpamaky aloha fa satria efa nisy ilay sonia izay efa nankatoavin’ny fianakaviambem- pirenena, ka noho izany dia tsy maintsy sonia toy izany ihany koa no ahafahan’ny ao amin’ny ESCOPOL sy ny HAT maka indray ny fon’ny mpamatsy vola sy ny firenena maro any ivelany. Toa nandamoaka avokoa anefa izany rehetra izany tato ho ato. Raha ny vaovao farany fantatra dia mbola mitohy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta mahakasika ity fifanarahana vaovao ity.