jeu.
02
sept.
2010
Tapitra hatreo ny dinika. Teny e f a namba r an’ny filohan’ny Fat Andry Rajoelina io rehefa tsy nahomby ny dinika nifanaovany tamin’ny ankolafy telo, na teto antoerana, na ihany koa tany ivelany. Mbola fandre ihany koa anefa, ny hoe na aiza na aiza no misy fanafody ahitana fanasitranana an’ity Madagasikara ity, dia tonga aho. Indrisy anefa, fa nisy tarazo aty amin’ny mpanao pol i t ik a i reo teny i reo. Taorian’ny tsy fahombiazan’ny dinika natao tetsy sy teroa, dia nanapa-kevitra ihany koa izao ny ankolafy telo, fa tapitra ihany koa ny dinika. Tsy hisy intsony ny fifanan-kalozankevitra ho ataony amin’ny mpanao politikan’ny FAT, fa dia samy mandeha samy mitady. Antony nahatonga izany, dia ireny taim-bava mahamenatra olona niseho teny Ivontovorona ireny. Etsy ankilany ihany koa ny mbola nandefasana ilay raharahampitsarana momba ny vono olona tamin’ny 7 febroary, ka nanamelohana an-dRavalomanana filoha teo aloha mandra-pahafaty....
Ny fisian’ny fisamborana olona maneho hevitra tany Toliary, ary ny tsy mbola namoahana ireo gadra politika sy ny mpanao gazety any am-ponja. Dia ahoana, raha izany, no hiafaran’ity firenena ity ? Hambara fa ho avy ny kaonferansy nasionaly izay handraisan’ny daholobe anjara, hidirana any amin’ny repoblika faha-efatra. Iza avy no mbola handray anjara ao ? Ny avy aty amin’ny Ratsiraka, Zafy Albert, ary Ravalomanana efa nilaza fa tsy handray anjara amin’izany. Ireo mpiray donakafo ihany ve izany no hikaon-doha samy irery eo, satria efa tsy misy fifanajana sy fitazomana ny teny nomeny intsony eto? Ny hamehezana ireo, dia ny mpanao politika no tena fositra, ary mampijabaka ny firenena any anaty kizo tahaka izao. Izao ve no nidinginan- drambo, fa vitanay samy malagasy i rery ny famahana olana, fa tsy ilana vahiny ? Matinkambo fa tsy mahavita azy isika, ary hita fa ny tombontsoa manokana no mibaiko ny sasany, fa tsy tena ny fitiavan-tanindrazana. Samia mandinika ry vahoaka, fa rehefa azony ny toerana, very asa ianao, ary izao no hiafarany