jeu.
02
sept.
2010
Lany fotoana lavabe ny mpanao politika malagasy dia manjary ny vahoaka tsy mandady harona no miharitra ny mafy. Inona marina moa no antony nahatonga ny savorovoro tsy mety ho tony e? Raha io no nitadiavana valiny hatry ny ela dia efa mba samy nizotra nankany amin’ny fitoniana kokoa isika mianakavy. Efa mba samy nifantoka tamin’ny fihariana sy ny fitadiavana, efa mba samy niandrandra ilay maraina vaovao tsy mety ho tonga sy mba tokony iainana. Fa miverin-dalana hatrany ny ady hevitra satria tsy ilay olana ho vahana no hifamorivoriana hatrizay io, fa zavatra hafa mihitsy. Tsy ny fototry ny aretina no hitadiavana fanafody, fa te-hiaina ny peta-toko hatrany isika mianakavy ka fandotoana tsy haharenesana hirifiry no karohan’ny maro fa tsy ny famongorana ny aretina. Ny politika Gasy hatramin’izao dia efa mifototra amin’ny fanompoana olona fa tsy resaka foto-kevitra sy fototra hitantanana fanjakana. Tsy mitarika na inona amin’ny fomban’ny mpanao politika ireo rehetra ireo, ary voaporofo izany nandritra ny fotoana lavabe niainantsika. Ny olana terena iainantsika dia fankafizana tsangan’olona amin’ny alalan’ny aleiloia, fankahalana olona amin’ny homboy homboy......
Tsy tokony hadino, ohatra, fa ny Deba tamin’ny nitondràny ny repoblika faha-roa dia “liampivoarana sy sosialista”, fa tsy mampaninona azy no nivadika ho écologiste sy liberal rehefa tonga ny repoblika fahatelo. Dia miha-mihitatra io ka nanaraka an’izany daholo ny fikambanana sy ny antoko politika taty aorina. Nipoitra ny taranaka PSD izay nanarak’olona fotsiny, ka niforona daholo ireo antoko “zanany kely”, dia avy eo maty ho azy satria resy sy tsy mila fifidianana akory. Mitovitovy amin’izany ny MFM, ny AKFM, ny ledear fanilo, ny Grad Iloafo, ny TIM, ny TGV, izy rehetra mihitsy e! Izy rehetra eny Vontovorona, ny teny Ivato, ny teny Anosy, ny eny Ivandry, ny any ampitan-dranomasina rehetra any. Moa hahagaga anao ve fa niedinedina erý ny AVI fa antoko matanjaka kanefa mandritra ny fotoam-pifidiannana dia tsoahiny ny vatony fa tsy vonona indray izy ireo? Taiza teto ambonin’ny tany no nisy antoko politika (milaza fa matanjaka sy maro mpikambana) kanefa manohana olona tsy manana antoko akory mandritra ny fifidianana filoham-pirenena? Moa tsy izany no niseho tamin’ny taona 1992, 2OO2 ? Dia mbola io tohizantsika io. Misolantsolana tsy hahita na inona na inona ireo rehetra mihevitra fa efa manakaiky 200 no isan’ny antoko politika mitovy hevitra ka hamaha ny olan’i Madagasikara. Rehefa nentina teny Ambohitsorohitra ny resaka nandaniana rora dia nokianin’ilay olona ankafiziny. Na inona na inona hevitra mivoaka amin’ny antoko, dia poakk’aty izany rehefa mitranga ny hevitr’olona tokana. Tokony samy hanaiky izay aloha isika rehetra. Tsy maintsy ireo tsangan’olona notohanantsika hatramin’izay ihany no tompon-kevitra amin’ny vaha-olana raha tiana ny hampihatra azy. Aza lany andro mivezivezy sy misolantsolana etsy sy eroa fa manjary manorisory fotsiny. Ony RAMBELO