jeu.
02
sept.
2010
T s y ami n - k e r y n a amin’ny tanjaka, fa amin’ny fanahin’Andriamanitra no hamoahana ny firenena, satria ny rà latsaka, dia manome vahana ny herin’ny maizina. Tenin’Andriamanitra tsy azo dinganina io, ar y hitarihan’i Maitre Avoko ny vahoaka malagasy hitodika amin’Andriamanitra. Vonona hitarika ny malagasy ho any amin’ny lalan’ny fahamarinana aho mba hialàna amin’izao krizy izao. Tapitra ny kajikajy politika rehetra hoy ihany ny maitre Avoko, ka aleo antsoina Andriamanitra hanafaka ity taniny nomeny antsika ity. Fepetra tsy arahan’ny vahoaka rehetra, dia ny fanekena fa tsy lainga ny voalazan’ny Baiboly. Mila mahatoky ihany koa fa afaka manavotra ny tanany, ary hampakatra antsika ao anatin’izao krizy izao......
Niangaran’Andriamanitra isika amin’ireo harena tsy fahita eran-tany. Isan’io ilay taolana dinôzôro goavana indrindra eran-tany hitan’ny Amerikana tany Bekopaka Mahajanga. Niangarany raha samy firenena isika, ary tsy maintsy tafavoaka amin’izao krizy izao. Araka ny hafatra nampitain’ny fanahy masina tamin’ity maître ity, dia ho tapitra amin’ity taona 2010 ity ny krizy eto Madagasikara. Ny tenin’Andriamanitra no hivahan’ny krizy, fa tsy ny mpanao politika. Fito taona aorian’izao kosa, dia ho firenena lohany indrindra eran-tany i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-toe-karena. Hosongonantsika ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany. Mila miray hina anefa isika rehetra raha tiana ny ho tojo izany fanomezampahasoavana avy amin’Ilay tsy toha izany. Fepetra raisina manomboka izao, dia ny fitodihana amin’Andriamanitra, izay efa nanentanany ny malagasy rehetra ny 15 aogositra 2008 tamin’ilay mifohaza ry Gasy, ka nivavahana isaky ny zoma tamin’ny 8 ora alina. Efa tamin’izany no nanambaràny fa hisy zavatra hitranga eto ny taona 2009, ary ny 12 Janoary no namaranana ilay mifohaza ry Gasy. Isika rehetra mahafantatra izay niseho taorian’izay. Mitaona ny olona rehetra ary ny maître Avoko ny 10 septambra izao, amin’ny 12 atoandro, mba hampaneno anjomara, na lakolosy, na ihany koa hitsoka kiririoka eo amoron’ny arabe manakaiky ny trano fonenany avy. Mila miray hina, fa raha mbola misy maningana, dia hilentika ao anaty krizy hatrany isika. Efa nisy ny taratasy nalefa any amin’ny FFKM sy ny fiangonana zandriny rehetra, mba hampaneno io lakolosy io avokoa. Nohamafisiny fa tsy maintsy averina ny hasin’ny malagasy, izay napetrak’Andriamanitra teto amin’ity nosy ity, fa tsy avela ho viravirain’ny hafa toy izao, satria ny firenena masina tsy maintsy arovan’ny Tompo. Asakasak’izay mbola tsy hitodika amin’ilay Mpahary, fa ny hafatra hampitainy amin’ny mpanompony ity efa miavosa andro aman’alina. Raleva zokiny