mer.
01
sept.
2010
« Ataovy izay tianareo rehetra atao , na hiodin-kavia , na hiodin-kavanana fa ny datim-pifidianana dia tsy azo hovaina intsony ». Izany no azo hamintinana ny tenin’ny Filohan’ny FAT tamin’ny faran’ny herinandro teo. Na ho inona na ho inona no havoakan’ny dinika sy ny fihaonambem- pirenena dia tsy misy hevitra intsony ny fanemorana ny daty hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Na inona koa na inona karazana lalam-panorenana voavolain’io fihaonambempirenena io dia veloma fa tsy hisy izany lalampanorenana federalista izany, satria tsy mbola zakantsika izany, hoy hatrany ny mpitondra tetezamita. Ary izy tenany manokana dia efa namolavola lalampanorenana ho lovain’ny taranaka maro mifandimby, ary azony antoka fa tsara sy tsy azo hovaina ihany koa mandritra ny taona maro....
Efa voasonian’ny antoko rehetra io daty voatondro io ka tsy misy antony fanemorana azo ekena intsony. Ny antoko politika rehetra nandray anjara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo dia efa nifanaiky fa hiroso amin’ny fifidianana. Fa mivilana izany resaka izany e! Inona moa no nidinan’ny « vahoaka » teny amin’ny kianja fitolomana ? Niady tamin’ny antoko politika angaha izy ireo ? Nanameloka sy nidradradradra ny fomban’ny TIM ? Na n embo n embo n a ny faha-Arema ? Sa te-hiaina ny hevitry ny MFM, na ny UNDD, na koa te-hilaza fa ny MTS na ny TGV no tiany hitondra fanjak ana eto ? Resak a olona no ninian’ny mpitarika politika eto amintsika ho voizina rehefa haka fanjakana izy. RAVALOMANANA no nomelohina fa nanao fitantanana tsy mendrika, mpanao didy jadona, mpanao ampihimamba teo amin’ny sehatra fihariana, nampiasa ny fahefana nananany mba ho fandripahana vahoaka, ka tsy nampisy ny demokrasia, tsy misy dinika azo nifanaovana. Ny tsy azo dinganina sy odian-tsy hita dia nahavory olona marobe mpomba azy RAVALOMANANA tao ana t in’ny fotoana a z o lazaina fa tena mahamay s y n amp i r e d a r e d a n y tolona. Koa ho famaranana ny gidragidra dia ny TIM no manao sonia amin’ny anaran’ny MPAMORONA azy dia Andrianantoandro RAHARINAIVO ? Iza no tsy mahalala fa samy hafa ny AREMA matot ra sy i lay AREMAn-dRatsiraka ? Ny silaka Arema lasa MDM ? Iza no hinia hikimpy amin’ny faha-samihafana hita mivandravandra amin’ny HPM sy ireo mpikambana marobe ao amin’ny CRN-n’ny ZAFY Albert ? Tena azo inoana ve fa resaka antoko politika tokoa no famahana ny olan’ny firenena ankehitriny ? Fa inona marina moa no andraikitra sy adidin’ny antoko eto amintsika ka ahafahany manao tery vay manta fa izay soratany sy soniaviny ihany no tena marina ? Ny vahoaka malagasy mihitsy no nozarina hankafy olona. Nozarina ihany koa hankahala olona fotsiny. ary ny antony nahatonga izany dia tsy noho ny sitrapon’ny vahoaka fa noho ny fihetsiky ny mpanao politika malagasy. Tsy mbola nisy teto amintsika mpanao politika nateraky ny antokony, ka nivoaka tamin’ny antokony no nahazoany fanjakana. Fa ankehitiny dia ho teren’ireo antoko amanjatony amin’izay heveriny fa mety ny fanehoan-kevitra eto, ary ny tena ho loza anefa dia tsy maintsy hanaiky indray ireo antoko marobe ireo fa ny lalam-panorenana natolotr’ OLONA iray no hitsapana ny hevi-bahoaka. Enga anie tsy ho marina ny resaka atao tery vay manta fa mba ny Antoko tokoa no mivoy hevitra hotanterahan’ny mpanao politika, fa tsy ny hevitr’olona no lazaina hevitry ny antoko.
hita mints fa terena ho masaka ohatran'ny voalobo-jaza ny fifidianana ! le mpitondra koa moa mbola zaza kou mbola ts mikatona ny loha maleminy
Marina mints zany, bandy mbol tsy natokana hitondra firenene izy. Ts any mints no toerana tokony hisy azy.
MIFONA RE REY OLONA FA AZA ATAO IZANY IZY A HONY A
TENA TSY MASAKA E!!!!!!!!!!!!!!
Fa maninona moa raha ny fifidianana filoha-pirenena no atao aloha dia manaraka hoazy ny filaminan'ny zava-drehetra.Tsy any amin'ny kaominina no misy ny olana fa amin'ny hoe iza no ho fioloha eken'izao tontolo izao.
marina mihints zan e!tokon n fifidianana filoha pirenena alou de manaraka ao aoriana n tohin
