mer.
01
sept.
2010
V a o m a n o m b o k a milentika ny masoandro, dia efa ahitana andian’olona maromaro mivorivory isantokan- trano. Saika olona manan-katoraka avokoa no mamory ireto andian’olona ireto, ary asiana zava-pisotro mafana kely, dia raikitra ny resabe. Hay miketrika ny ho ben’ny tanana ry zalahy ireto. Any amin’ny f a r i t r a ivelan’Antananarivo no saika ahitana ireo. Izay olona te-ho ben’ny tanana no miantoka ny lany. Dia mandeha ny fanasana ati-doha ny vahoaka, fa i ranona sy ranona no tsara mitondra antsika eto. Ny fifidianana amin’io, tsy mbola fantatra na ho raikitra ihany na tsia, fa ny kianja hilalaovana aloha no homanina mialoha.....
Ny ben’ny tanana am-perinasa kosa etsy ankilany, dia manomboka ny fandokondokoana kely ny kaominina sy ny fambolena zaridaina. Raofina haingana ny fako miavosa etsy sy eroa, ary raikitra ny fanotofana kely ireny lavadavaka amin’ny arabe ireny. Izay tsy manampinoana ho lany kosa, dia efa mikarakara ny ho aviny, ka mba manangona izay mety hiafarana hoy ny sasany. Ny fanohanana izay kandidà mety ho hatahorany no ataony. Porofon’io ny fahitana ben’ny tanana hafa milaza fa hanohana olona rehefa tonga ilay daty malaza. Izany no tranga mpiseho eto, ary na tsy rototra amin’izany aza ny vahoaka, dia tsara ampahalalana ihany izy ireo amin’ny tsipitsipy kely ataon’ireo ho kandida atsy ho atsy. Izany hoe ho vidian’ny vola sy hanaovany tapi-maso indray ny rehetra, fa rehefa tafakatra eo izy, dia veloma hatreo ireo dina nifanaovana.