mer.

01

sept.

2010

Fa Krizy inona moa izany no misy eto amintsika ?

Raha ny haino amanjery no jerena dia lazaina fa krizy politika no misy eto amintsika. Raha ny fehinkevitra mivoaka avy amin’ny sehatra etsy sy eroa, na politika io na ireo izay lazaina fa fiarahamonim-pirenena dia toa hoe raha omena sehatra sy seza ny ankamaroan’ireo mpanao politika na milaza azy ho mpanao politika dia hivaha ny olana. Izany tokoa ve no zava-misy ? Raha mijery ny fiainana andavanandron’ny vahoaka dia tsy izany velively no krizy iainany ary angamba tsy ho ireo voalaza ireo no vahaolana ho azy. Inona ireo krizy ? Tsy misy intsony ny fandriampahalemana. Vaky trano atsy, vono olona ary, ary mazàna dia voalaza fa ireo mpitandro filaminana no manao izany na ao ambadik’ireny amin’ny fampanofana basy Mahantra tanteraka ny vahoaka. An’ hetsiny ny very asa, tsy latsadanja amin’izany ireo tsy mahaloa hofan-trano, asa firy sisa ny ankizy hamonjy sekoly afaka herinandro vitsivitsy. Ny any sisa azony atao ? Mitazana ireo fiara raitra eran’ny tanana, zendana mahita ireo izay nanankarena tampoka manontany ny ory, mitangorona eny amin’ireo mpivarotra gazety satria tsymahavidy intsony.......

Zendana raha maheno fa « mahaleo tena ny fitsarana » kanefa dia toa mampiteny ny moana ireo didy izay mivoaka eny anivon’ny « Lapabe » satria dia toa tsy mifototra amin’ny lalana intsony fa asa angamba, miala amin’ny vetsovetsom-pon’ny mpitsara na fanatanterahana ny baiko voaray fotsiny Ary tsy ho ampy na ny pejy rehetran’izay gazety matevina indrindra aza raha hitanisa ireo mangidy rehetra atrehin’ny vahoaka. Koa afaka hino tokoa ve fa raha mahazo toerana daholo ireo izay tsy lany ambavany dia hiravona daholo ary hanjavona ireo fahoriana lalina mianjady amin’ny vahoaka ireo ? Azo hinoana marimarina fa tsia no valiny. Lalimpaka loatra ny fototry ny mianjady ami’ny firenena ankehitriny. Marivo tototra loatra ireo lazaina fa vahaolana satria dia hiantefa amina antokon’olona izay homena tombotsoa miompampana indray fa tsy hijery ifotony ary tsy hanome valiny ny hetahetam-bahoaka izay azo fintinina amin’ny teny fohy : Maty izahay re-olona ô! Noana, marary, mitebiteby, ho very fialofana, tsy hianatra ny zanakay... Sao dia tokony ho jerena akaiky ary hanongilanan-tsofina izay voalazan’ny manampanahy ? Marary tanteraka ny firenena ka tsy « paracétamol » intsony no hahasitrana azy fa mila fandidiana lalina... Aiza ianao ry Profesora Ranjeva fa dia lalina loatra ny manjo ny vahoaka. Raha ela loatra, sao tsy hisy tavela intsony ny Malagasy ?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    bemazava (mercredi, 01 septembre 2010 01:35)

    Mba mahagaga tokoa ireto mpanao polifika eto amintsika ireto. Mody miady hevitra @ izay ho DATIM-PIFIDIANANA nefa ny tena ao an-dohany dia ny HITAINGIN-TSEZA TSY MISEDRA FIFIDIANANA. Mba firy t@ ireo antoko politika ireo tokoa moa no mba efa sahy SAHY NISEDRA FIFIDIANANA. Ny anarana foana ny hoe MAROMISA FA NISA AZO 0,0, Ny sasany MAROSON (MARO ANAKA° fa na ny zanany aza tsy mifidy azy, ny sasany miseho ho beVONINAHITSY nefa ... anjaranao ny manohy . ANONTANIO ihany anefa Denise Be sao diso ny kajiko.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra