mer.

01

sept.

2010

Ary mba ahoana ny lakan-dranon’ny “La Réunion Kely”?

Samy revo amin’ny fanadiovana ny fokontany tsirairay satria nisy ny resaka fifaninana teo aloha teo. Nirotsaka avokoa na lahy na vavy tamin’ny fanalana ny loto tetsy sy teroa ary nisahirana fatratra tamin’ny fanajariana zaridaina hamalifaliana ny maso sy hanehoana amin’ny vahiny izay sendra mandalo fa mahakolokolo ka manana ny soa.

Fako maro karazana Mbola mitohy ihany izany asa fanadiovana izany ankehitriny saingy misy kosa toerana adino tanteraka ka mitobaka andro aman’alina ny loto ary ny fofona dia ilay antsoin’ny maro hoe manimba ny rivotra sy ny tontolo iainana : “La Réunion” kely sy ny manodidina azy io toerana voatondro io.

Raha tsiahivina dia efa nisy ny fanesorana ny mponina teo tamin’ny taona maro lasa izay saingy tafaverina eo indray ny trano baoritra na ireo vita amin’ny lamba tsy lena. Midika izany fa miverina koa ny loto sy ny havoretrana satria tsy misy ireo fotodrafitrasa ahazoan’ny mpanorimponenana vaovao midio na manary ny malotony. Saika hita eny rehetra eny, na amin’ny lalana, na ao anaty lakan-drano rehefa mety ho singa-pako manentsina sy mandoto toy ny vato, tapakazo, baoritra, tavoahangy. Manipy sy manary izany avokoa na tompon-toerana na mpandalo.

Aleo misoroka Tsy eo “La Réunion” kely ihany anefa no ahitana izany fa na ny eny Anosibe amin’ny lalam-baovao iny aza dia mila tapenana ny maso, ny vava ary ny orona. Tsy menatra ireo mpivarotra manary ny hodi-boankazo, ny rano maloto sy ny vary masaka eny amin’ny sisin-dalana iny. Asa angaha rahoviana no mba hisy handroaka azy ireny fa zaran’ny mpanary aza moa iny latsaka ao anaty tatatra ao dia izay ! Afaka volana vitsivitsy dia higadona ny vanim-potoan’ny orana. Rehefa tsentsina ny tatatra sy ny ny lakan-drano ka miakat ra sy mivoaka mankany amin’ny arabe sy tafiditra ao an-tokantrano ny rano vao mikoropoka ny rehetra. Dia lasa manao fitarainana sy manome tsiny fa hoe tsy misy mpijery, hay moa ka ny natao ity tody miverina. Hendry mihitsy ny Ntaolo nilaza hoe aleo misoroka toy izay mitsabo. Toe-tsaina avokoa izany hoy ny mpiresaka satria matetika ireo olona heverina ho nahazo fahalalana sy nandranto fahaizana no tena mpanary fako an-dalana. Raha mandeha an’arabe dia tsinjo fa ireo mpitaingina fiara tsara tarehy, ireo olona mihaingo no tsy menatra manipy ny fakony. Atao inona fotsiny ary ny paosy, ny poketra raha izany ? Fadio sy esory an-tsaina kosa ilay miteny hoe “Manjary tsy manana asa intsony ny mpamafa lalana”. Mari-panajana ny tena sy ny hafa ny fanajana ny fahadiovan’ny toerana iray lalovana ô !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra